Paramed – Nanomboka fitokonana, misy ihany ny “service minimum”

Mpitandro filaminana, vao maraina dia efa nanao ramatahora ireo Paramed tetsy amin’ny HJRA.

Niaina

Nanomboka fitokonana ihany koa omaly ireo Paramed, na ireo mpianatra ho mpitsabo mpanampy, sy ho mpampivelona eto Madagasikara. Tsy etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ihany no naovan’izy ireo izao gravy izao, fa manerana ny Nosy raha ny voalazan’ny mpitarika. Na izany aza, misy ny fandaminana eo aminy amin’ny fanatanterahana ny antsoina hoe: “service minimum”, amin’ny maha-saropady ny asan’ny fahasalamana.

Vao maraina omaly dia efa feno mpitandro filaminana ny manodidina ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Ireo mpitokona kosa dia nijanona tao amin’ny faritry ny hopitaly ihany fa tsy nivoaka. Mbola tsy misy novahan’ny ministera tompon’andraikitra ireo fangatahany, antony mahatonga izao fitokonana izao.