Nosy-Be – Niara-nanonja tamin’ny teny Imerinkasinina koa

Stefa

Tsy ny teto Madagasikara ihany, fa saika eran’izao tontolo izao mihitsy, no nanaraka ny fitsangatsanganan’ny Miara-manonja teny Imerinkasinina Antananarivo Avaradrano ny sabotsy teo.

Na notapahan’ny fitondrana aza ny fandaharan’ny MBS Tv tamin’ireo televiziona satelita: Startimes, Canal +, ary Parabole dia mbola afaka nanaraka mivantana iny hetsika anisan’ny lehibe teto amin’izao tontolo izao iny ny olona rehetra eran-tany, noho ny teknôlôjia vaovaon’ny fifandraisana toy ny youtube sy ny facebook,…

Tsy diso anjara tamin’izany fanarahana ny Miara-manonja teny Imerinkasinina izany koa ny tany Nosy-Be faritra Diana. Tao amin’ny tranon’ny Magro Hellville dia vory lanona koa ny mpankafy Miara-manonja. Niara-nifaly sy niray fo tamin’ny mpitsangatsangana teny Imerikasinina Avaradrano.

Nandritra izany dia nahenoana feo niakatra ihany koa ny tany amin’ny faritra. Fanirian’izy ireo ny mba hisian’ny fiaraha-mientana toy ny eto Antananarivo sy ny manodidina, any amin-dry zareo, ho fanamafisana ny fanoherana izao fitondrana mamohehatra tarihan-dRajoelina izao.