EDITO 9 Febroary – Politikan’ny safosiaka sisa ny an’ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Manohy hatrany amin’ny fanaovana ny vahoaka Malagasy ho toy ny zaza sy bado ny fitondrana Rajoelina. Mbola niseho indray izany ny faran’ny herinandro teo ireny, na ny natao tamin’ireo mpiray tanindrazana nanatanteraka fitsangatsanganana teny Imerinkasinina, na ny nambarany teny Ambohitsorohitra.

Amboamboarina hatrany ny teny tsara lahatra anaovana safosiaka mampandry adrisa, izay azo fitahina rehetra efa fanaony hatramin’ny taona 2009 nanonganam-panjakana teto amin’ny firenena. Miseho izy ireo hampandroso ity firenena ity kanefa efa fantatra, fa tsy ny vahoaka Malagasy manontolo no hampandrosoina eto, fa ankolafiny ihany izay metimety aminy ihany. Niaraha-nahita toy ny masoandro be lohataona izany fa tsy mila porofoina intsony hatramin’ny nanombohana ny krizim-pahasalamana teto, ka mandraka ankehitriny. Misy vahoaka malagasy ailik’ity fitondrana ity eto ary tsy hamakiany loha na kely aza izay fahavoazany any hatramin’izao. Ity fitondrana Rajoelina ity ihany anefa no niteraka ny fahavoazan’ireo vahoaka Malagasy nailiny ireo. Ka fampandrosoam-pirenena inona no antenaina aminy amin’izany? Moa tsy famitaham-bahoaka tsotra izao izany?

Fitondrana mamita-bahoaka no misy eto. Ary tsy izay fotsiny fa atao izay hamoretana azy araka izay fomba azo atao rehetra. Niseho mazava izany tamin’ny sabotsy iny. Mbola manamafy koa iny tranga iny, fa misy vahoaka ailika eto amin’ity firenena ity. Rehefa ny fitondrana mantsy no mamory vahoaka dia migodana ny lalana hamonjy azy amin’izay toerana ifamotoanany, tsy misy sakantsakana. Fa rehefa toy ireny vahoaka tamin’ny sabotsy ireny no mifamotoana dia fomba mamohehitra no atao. Fihetsika izay miala amin’ny fahendrena maha Malagasy tanteraka. “Ratsy toetra ianareo”, hoy ny depiote Fidèle izay teny Imerinkasinina. Ity fitondrana Rajoelina ity, dia manao izay hahabotetaka ny firenena hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fihetsika sy fomba fiasa ary fepetra raisiny. Ny mpanohitra kosa, soa ihany nisy azy, miezaka sy mifofotra mampijoro sy mampitsangana azy. Ka iza no tena misaina marina izay hampandroso ity firenena ity amin’izany?

Ity firenena Malagasy ity, raha mbola izao tsy miova fa toy ny natao tamin’ny andron’ny tetezamita ihany no ataon’ny fitondrana Rajoelina, dia tsy hisy fampandrosoam-pirenena izany. Niaraha-nahita tsara ny tsy fandrosoan’ny firenena tao anatin’ny dimy taonan’ny tetezamita ireny. Nilaza mazava tsara izany ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Hery Rajaonarimampianina raha nandray ny fitondrana. Firenena potika ara-toekarena no noraisiny rehefa avy nandimby ny dimy taonan’ny tetezamita. Ka moa tsy famitaham-bahoaka bevava ve no nambara teny Ambohitsorohitra?

Ho very ity firenena ity raha mitohy izany. Ny politika ara-toekarena atao ankehitriny aza tsy manasoa ny sarambabem-bahoaka velively. Heno avy amin’ireo mpiasa mba miasa amin’izao fotoana izao izany, ary tsy misy amin’izy ireo no mba manana fanantenana amin’ity fitondrana ankehitriny ity.