Asan’ny mpitondra : toy ny rano an-tanim-bato : tsinjovina manelatrelatra ihany, fa rehefa tovozina tsy ahazoana

Andry Tsiavalona

Tsy mbola nisy tranga tahaka an’iny fitsangatsanganana nokarakarain’ny « Miara-Manonja », na ny mpanohitra ny sabotsy 6 Janoary lasa teo iny teto Madagasikara nandritra ny 60 taona namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena izay.

Tena marina ny nolazain’ny filohan’ny Repoblika IV-2 Andry Rajoelina izao, fa ny tsy vitan’ireo mpitondra nifandimby dia izy no hanao izany. Tsy vitan’ny sakantsakana sy ny fakana ny taratasin’ireny fiara nitatitra ny olona teny an-dàlana nankany Imerikasinina no nataon’ireo mpandrindra ny fifamoivoizana (mpandray baiko), fa tena nanao izay nampisendaotra ny vahoaka ihany koa. Araka izany dia sady tsy mahatanty ny faharesen-dahatry ny vahoaka naneho ny fahatsapany fa tsy nitondra vahaolana amin’ny loza mihàtra amin’ny Firenena sy ny fahantrana mihoa-pampana mianjady aminy izao fitondrana izao. Matoa izany no noheverin’ny fitondrana Rajoelina Andry, fa fomba mety hampitroatra ny vahoaka ka hanaotao foana tsy hampiheverana tahaka izay nataon-dry zareo roambinifolo taona lasa izay. Tany ivelan’ny Renivohitra no natao ny fitsangatsanganana kanefa dia feno mpiandry vavahady (miaramila, zandary, polisy) teny amin’ireo toerana malalaka (zaridaina Ambohijatovo, zaridaina Antaninarenina,…) rehetra mety azo hamoriam-bahoaka eto ampovoan-tanàna.

Raha ny 10 Aogositra 1991 no tsiahiviny dia an-tongotra no nizoran’ny Herivelona Rasalama sy ny olona resy lahatra fa tsy nandeha tamin’ny laoniny ihany koa ny fiainam-bahoaka, filaharam-bary sy menaka ary ny zavatra ilaina andavanandro, teny amin’ny fokontany. Amana hetsiny ny vahoaka nandeha an-tongotra teny Iavoloha satria efa fantatra fa tsy nisy ny resaka fitaterana. Tsaroana tsara fa efa nampitandrina ny antoko MFM tamin’izany, fa hitifitra ny Amiraly Ratsiraka Didier. Tsy tifitra fotsiny no nisy fa grenady ihany koa no natsipin’ny rezimanta mpiambina ny filoha na dia heno aza ny baiko nomen’ny filoha mba hitifitra any amin’ny tongotra. Tsaroana tsara fa nitarika ny fialan’ny Amiraly Ratsiraka Didier iny tranga iny. Angamba tsy nisy sahy nanome baiko nitifitra tamin’ny sabotsy 06 Febroary 2021 matoa sotasota sy fandranitana no nataon’ny herim-pamoretana.

Ho setrin’iny fitsangatsanganana ny sabotsy teo iny dia nametraka fehezam-bonikazo teo Ambohitsorohitra ny fitondrana notarihan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Antso amin’ny “firaisankina” (solidarité) sy “famaliana ny ratsy amin’ny asa” no votoatin’ny kabariny, araka ny lahatsoratra an-gazety manohana izao fitondrana izao. Ny fanontaniana mipetraka dia: firaisakinan’iza? Iza no nanao “ratsy” namoaka an-tsokosoko ny harem-pirenena (volamena, vola vahiny) sy namafy lainga ary nampanantena zavatra tsy azo tanterahina teto amin’ny Firenena? “Asa” hamoaka an’i Madagasikara amin’ny laharana faharoa avy any amin’ny farany eo amin’ny fahantrana? Raha ny hita sy tsapa amin’izao fotoana izao dia “asa” tiana hampisehoana indray fa aty Madagasikara avokoa ny mason’izao tontolo izao.

Tokony ho fantatry ny mpitondra anefa fa efa aty hatramin’ny taon-dasa tokoa ny mason’ny firenena rehetra, saingy maso mahita ny fahorian’ny vahoaka malagasy: mpiasa amana hetsiny voaroaka tamin’ny asany, kere any amin’ny Faritra Atsimo miteraka fifindra-monin’ny mponina any, fiakaran’ny vidim-piainana tsy mbola nisy toy izany. Araka izany raha “firaisankina” no resahina dia efa maro an’isa ny mpiaro izao fitondrana izao eny amin’ny Andrim-panjakana rehetra: Antenimiera roa tonta, fahefana mpanantanteraka, fahefana mpitsara koa heverina fa tsy ny ao anatin’ny fitondrana izany no tokony hiantsoana izany. Raha ny zava-misy anefa dia ny ao anivon’ny fitondrana tokoa no efa mipatitaka, ka izay no nahatonga ilay antson’ny filohan’ny Repoblika. Tsy ho toy ireny tamin’ny sabotsy ireny ny fihetsiky ny mpitondra, ary tsy hanenjika ny mpanohitra velively ny gazety mpanohana ny fitondrana. Toy ny toho miditra am-bovo izao fitondrana izao: mazava idirana, fa maizina ivoahana.