Miara-manonja – Manome 48 ora ny fitondràna

Karatra mena efa narangarangan’ny vahoaka ny sabotsy teo.

Helisoa

Nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo dia voadidina mpitandro filaminana ny trano fonenan’ny filohan’ny antoko mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana eny Faravohitra. Raha ny feo mandeha dia fampitahorana ity farany no anton’ny anaovana izao fihetsika izao, noho ny fandaharana Miara-manonja mahazo vahana manerana ny firenena, sy manerana an’izao tontolo izao mihitsy. Eo ihany koa ny fitsangatsanganana natao ny sabotsy teo izay efa aman’alin’alina, no nisoratra anarana naka badge teny Anosipatrana ary ny sabotsy teo dia an’hetsiny no tonga teny Imerinkasinina, na nisy aza ny fanakantsakanana. Hatramin’ny andron’ny omaly dia mbola tsy niala ireo mpitandro filaminana teny Faravohitra, fa mbola tao hatrany . Manoloana izany indrindra dia hentitra ny depiote Fidèle Razara Pierre tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly, fa manome 48 ora ny fitondram-panjakàna hanala ireo foloalindahy eny Faravohitra ny Miara-manonja . Ka rehefa tapitra io fotoana io dia hanome toromarika, ny mpitarika ny Miara-manonja ny alarobia ho avy izao . Tsy mila vanina ny mpanohitra hoy ny fanambarana, fa mila hajanona ny fihetraketrahana ataon’ny mpitondra sy ny ramatahora.

Goavana indrindra

Fa raha tsiahivina ny zava-nitranga teny Imerinkasinina ny sabotsy tontolon’ny andro teo iny dia fahombiazana tanteraka no azon’ny mpikarakara tamin’iny fitsangatsanganana izay anisan’ny goavana indrindra teto amin’izao tontolo izao iny. Tsy mbola nahitana fitsangatsangana, na picnic, na excursion goavana toy ireny hatramin’izao maneran-tany. Niara-nientana ny rehetra, na maro koa aza no tavela teny amin’ny Magro Tanjombato, noho ny fanakatsakanana nataon’ny fitondrana tamin’ny alalan’ireo mpitandro filaminana izay mbola voabaikony aloha hatreto, fa tsy maintsy hiaraka amin’ny vahoaka maro an’isa ireo tsy ho ela. Satria hiaro ny vahoaka no tena andraikitra sy adidiny, fa tsy hiaro ny fitondrana misy, izay efa manomboka ho hazo bobaka amoron-tevana ankehitriny, ka miandry ny hidarabohany fotsiny sisa. Noho izay fahombiazana izay, nitondra ny tenin’ny mpikarakara ny depiote Me Hanitra, nankasitraka ny rehetra nandray anjara tamin’iny fitsangatsanganana goavana iny:” mankasitraka antsika rehetra nahavita ny fitsangatsanganana ny sabotsy teo. Misaotra tamin’ny fahafoizan-tena na dia teo aza ny fanelingelenana isan-karazany. Misaotra tamin’ny fanekena ny fandaminana rehetra. Hafa ihany ny miaraka amin’olona manam-pahendrena. Tsapanay tokoa izao fa tena MIARA-MANONJA isika rehetra ary samy vonona hanavotra ity Firenentsika ity. Tsy ataontsika raraka an-tany izany ! Santatra am-bavarano iny… Samia tahin’ny Tompo!”, hoy izy. Nanome toromarika ihany koa ny depiote Fidèle momba ny tohin’ny hetsika:” izay mbola mila badge sy autocollant dia afaka maka eny amin’ny Mbs Anosipatrana nanomboka omaly alatsinainy, mitohy ihany koa ny fivarotana polo. Misaotra antsika rehetra tamin’ny fahatontosan’ny fitsangatsanganana izay nataontsika ny sabotsy teo, ho tahian’ny tompo daholo eh… ny hery tsy mahaleo ny fanahy”, hoy izy.

Karatra mena

Fa raha hiverenana ny fitsangatsanganana tamin’ny sabotsy teo, sokajin’olona maro samihafa avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no tonga teny Imerinkasinina: tao ny mpanao politika, ny fikambanana samihafa, ny olon-tsotra,… izay miara-manonja ho fanoherana izao fitondrana izao. Nisy ny hafatra avy amin’ny filoham-boninahitry ny antoko HVM, ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina nandritra izany, izay nanambara fa manohana ny hetsiky ny vahoaka izy. Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-telefônina koa ny filoha Marc Ravalomanana, izay filohan’ny RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, nankasitraka ny mpikarakara, sy ny rehetra tonga ary nankahery ireo tsy tonga teny Imerinkasinina noho ny sakantsakana. Fantatra fa ho aty Antananarivo indray ny hetsika manaraka, izay mbola ho lazaina amin’ny fotoana maha-mety azy ary ny sabotsy 13 febroary ho avy izao dia hisy ny fandaharana Miara-manonja lehibe. Efa namoaka karatra mena ho an’ny mpitondra ny vahoaka tamin’io fotoana io. Ho hita eo ny ho tohin’izay. Manonjanonja tokoa izy izany a!