Tsy hiamboho adidy aho mon Général – 46 taona lasa izay, fantaro ny governemanta Ratsimandrava

Ny Valosoa

Feno 46 taona ny nandraisan’ny Kolonely Richard Ratsimandrava, ny fahefana feno avy tamin’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa, nitondra ny tany sy ny fanjakana.

NANDRAY ANDRAIKITRA NY KOLONELY RATSIMANDRAVA

Raha tsiahivina ny tantara dia nampanao fitsapankevibahoaka ny Jeneraly Ramanantsoa ny 08 Oktobra 1972, izay nanome fahefana azy hitondra mandritra ny dimy taona, nisy andininy iray tamin’ny lalàna “ loi référendaire”, izay nanome fahefana ny Jeneraly Ramanantsoa hamindra ny fahefana ho an’olona iray izay safidiny, raha tonga ny fotoana tsy hahafahany intsony mitondra ny firenena.

Ny 25 Janoary 1975 dia nandray fanapahan-kevitra ny Jeneraly Ramanantsoa nandrava ny governemanta notarihany, kabary miaramila fohy no nataony, ka ny antony nambarany nandravana ilay governemanta dia nisy ny tsy firaisantsaina tao anatiny ka naleo noravana.

Raha mbola samy niandry ny fananganana ny governemanta vaovao ny vahoaka malagasy, dia tsy izay no niseho fa nampiasa ilay andininy iray tao amin’ilay “loi référendaire” ny Jeneraly Ramanantsoa, ka natolony ny Kolonely Ratsimandrava ny fahefana feno ny alarobia 05 Febroary 1975; “ Tsy hiamboho adidy aho Mon Général “ hoy ny feo nivoaka ny vavan’ny Kolonely Richard Ratsimandrava, fantatro hoy izy fa mila olona vonona sy sahy mandray andraikitra ny fotoan-tsarotra lalovan’ny firenentsika.

RATSIMANDRAVA FA TSY RATSIRAKA

Minisitra roa no nisongadina tao amin’ny governemanta notarihan’ny Jeneraly Ramanantsoa, dia ny Kolonely Richard Ratsimandrava minisitry ny atitany, namelona indray ny rafitra fokonolona tamin’ny fanjakan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina sy nahavita nitety an’i Madagasikara nitafa tamin’ireo vahoaka nanao ny “alaolana” , ny faharoa dia ny Capitaine de frégate Didier Ratsiraka ministry ny raharahambahiny, izay voalaza fa nanavao ny fifanaraham-piarahamiasa frantsay sy malagasy, nanapaka ny fifandraisana tamin’i Afrika atsimo nalaza ho mpanavakava-bolonkoditra tamin’izany ary nanokatra ny fifandraisan’i Madagasikara tamin’ireo firenena tatsinanana.

Ny anaran’izy roalahy no niverimberina matetika sy nandrasan’ny maro ho mpandimby ny Jeneraly Ramanantsoa, kinanjo ny takarivan’ny 05 Febroary 1975 dia niantefa tany amin’ny Kolonely Ratsimandrava ny safidin’ny Jeneraly Ramanantsoa.

NY GOVERNEMANTA RATSIMANDRAVA

Ny harivan’io 05 Febroary 1975 nandraisan’ny Kolonely Ratsimandrava ny fahefana io dia efa voatendry koa ireo ministra 15 niara-niasa taminy nahitana, manamboninahitra miaramila 6 sy teknisianina sivily 9.

Ireo manamboninahitra miaramila 4 ministra tao amin’ny governemanta Ramanantsoa dia mbola tao amin’ny governemanta Ratsimandrava avokoa, afa tsy ny Capitaine de frégate Didier Ratsiraka, ary tamin’ireo teknisianina sivily 6 tao amin’ny governemanta Ramanantsoa dia Andriamatoa Daniel Rajakoba sisa no mbola niditra tao amin’ny governemanta Ratsimandrava. Mikasika ireo manamboninahitra 6 minisitra vaovao indray dia 3 avy ao amin’ny tafika ary 3 avy amin’ny zandarimariampirenena, tsy iza ireo fa ny komandà isany: Rakotoarijaona Desiré (ministry ny fitantanambola), Soja (ministry ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra), Andriamaholison Richard (minisitry ny fampahalalambaovao). Mikasika ireo minisitra sivily 9 dia misy 2 avy amin’ny antoko Vonjy notarihan’ny Dr Razanabahiny Marojama, tsy iza ireo fa ny Dr Radio Céléstin (ministry ny fahasalamana), sy Sambson Gilbert (ministry ny ati-tany), tsy nisy ny olona avy tamin’ny antoko AKFM.

Na dia efa filohampirenena aza ny Kolonely Ratsimandrava dia mbola teny amin’ny ministeran’ny atitany ihany no birao niasany ary mbola teny Anjohy ny trano nitoerany.

Mendri-piderana ny fahasahiana nananan’ny Kolonely Ratsimandrava satria na dia fantany aza fa maro ny fahavalony, noho ny fitiavantanindrazana tao ampony, dia mbola noraisiny ny fahefana, izay vato mafana ary mbola nahasahy niteny izy hoe : “ TSY HIAMBOHO ADIDY AHO MON GENERAL ”.