Fitsangatsanganana eny Imerinkasinina – Misamboaravoara sy manonja tanteraka ny raharaham-pirenena

Andry Tsiavalona

Misamboaravoara sy manonja tanteraka ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana. Androany tokoa dia andro iray hipetraka eo amin’ny tantaran’ity Firenena manankarena, fa misy mponina mahantra indrindra manerantany ity. Tsy mifanaraka amin’ny lojikam-piainana izao toe-draharaha misy eto izao, satria raha tena tantanana ara-drariny sy hitsiny ary am-pahamarinana izany harena izany dia handroso tokoa ity Firenena ity ary hiadana sy ho finaritra tokoa ny vahoaka Malagasy.

Manonja sy misamboaravoara toy izay misy amin’ny toetr’andro ao anaty rivodoza ny ranon’ny fiainana ara-politika eto. Mivoaka daholo ny fahotana mahafaty nataon’izao fitondrana izao, nandritra ny roa taona nampindramana azy ny fahefana izao. Notakonana tao ambadiky ny fandefasana izao horonan-tsary mampan-drevirevy rehetra izao ny fanondranana antsokosoko ny fananam-bahoaka. Natao fitaovana nentina nanao izay rehetra tian’ny mpitondra natao ny valanaretina covid-19, ka ny vola fanampiana nomen’ny mpiara-miombon’antoka nanalefahana ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny toekarena dia nahodina tamin’ny fomba tena mahamenatra sy manalabaraka. Ny fahavitan’ny arabe migodana (autoroute) mampitohy ny renivohitra amin’i Miami (ex-Toamasina) ho vitaina amin’ny taona 2023 dia tsy hampivoatra ny fiainan’ny mponina ao amin’ireo tanàna roa ireo sy ny tanàna handalovany, toa an’i Paris (ex-Ambatondrazaka). Efa mandady amin’ny tany ny mponina eto amin’ity Nosy ity noho ny fampahantrana azy ataon’ny mpitondra aminy dia mbola miaro ny tsy azo arovana ireo mahazo tombontsoa sy mpiray tsikombakomba amin’ny fanodinkodinana ny harena tokony ho sitrahan’ny vahoaka tsy mandady harona.

Ny fiandohan’ny volana febroary dia fotoana nametraka tantara teto amin’ny Firenena. Ampahatsiahivina, ny 5 Febroary sy 11 Febroary 1975: ny voalohany dia nanoloran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny fahefana ho an’ny Kolonely Ratsimandrava Richard, zava-dehibe ho an’ny Firenena ny nanambaran’ity farany hoe “tsy hiamboho adidy aho mon général”. Andro vitsy taty aoriana, ny 11 Febroary, dia nanaovana velam-pandrika teo Ambohijatovo ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Hadino hatreo ny rafitra fiaraha-monina malagasy mifototra amin’ny Fokonolona. Niteraka korontana teto amin’ny Firenena ity toe-draharaha ity satria nanao haza lambo ny FRS, mpitandro ny filaminana tamin’izany fotoana izany, ny vahoaka. Efatra ambitelopolo (34) taona taty aoriana, ny 7 Febroary 2009, dia mponina maro teto an-drenivohitra no namporisihana hanani-dapa tetsy Ambohitsorohitra. Ny Filoham-pirenena tamin’izany no nampangaina ho nampitifitra ireo lavo tamin’izany. Enina ambiefapolo (46) taona aty aoriana, anio 6 Febroary, dia manambara ny mpitondra ankehitriny amin’ny alàlan’ny gazety nivoaka omaly zoma hoe: “Tsy mihemotra amin’ny fanakorontanana ny mpanohitra”. Raha vakiana io lohateny io dia tsy ny mpanohitra izany no hitondra korontana, kanefa hiroso amin’izay lamina efa nokasainy izy.

Araka ny vaovao dia efa nanomana “be sandry” hanakorontana tokoa ny fitondrana, ka hamerina ny nahazatra azy hatramin’izay. Ny hery anefa tsy mahaleo ny fanahy ary aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka. Soa fa mbola malalaka ity Nosy ity, soa fa ranomasina ny manodidina azy, ka làlan-tokana ihany no hahazoana mitsoaka avy eto dia ny manidina ihany, sarotra araka izany ho an’izay mikasa hanao fialan’ny jiosy eto ny ho tafaporitsaka.