Tanora TIM Faritany Toamasina – Hitondra vahaolana ho famahana ny krizy mahazo ny firenena

Ny solontenan’ny tanora TIM Faritanin’i Toamasina, nihaona tamin’ny filoha Marc Ravalomanana teny Faravohitra.

Franck Razakambelo

Hitondra ny anjara birikiny ho fitadiavam-bahaolana manoloana ny krizy lalina izay manjo ny firenena, ireo tanora avy amin’ny antoko Tim any amin’ny faritanin’i Toamasina, tarihin’i Andriamatoa Razafindrakoto Tokiniaina, mpandrindram-paritra ny antoko any an-toerana.

Io no nisongadina nandritra ny fiarahabana tratran’ny taona vaovao nataon’izy ireo ny Filoha Ravalomanana Marc, mpitarika ny antoko TIM, sady filohan’ny vondron’antoko mpanohitra RMDM, izay notanterahina ny faran’ny herinandro teo tetsy Faravohitra.

Nampahafantatra ny mpitarika ny antoko TIM, ny zavatra misy marina sy iainan’ny vahoaka any amin’ireo faritra 3: Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, mandrafitra ny faritanin’i Toamasina ireto tanora avy amin’ny antoko TIM ireto ary miharihary fa sahirana dia sahirana ny vahoaka ary miha-ratsy andro aman’analina ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.

Nilaza ny Filoha Marc Ravalomanana, fa tokony tsy hitazam-potsiny manoloana ny fivoaran’ny zava-misy ny tanora Malagasy, noho izany tokony hijoro tsy hanaiky lembenana ireto farany satria ao amin’izy ireo ny hery sy ny tanjaka ahafahana manova zavatra any amin’ny tsaratsara kokoa eto amin’ny firenena. Tsy nitazam-potsiny an’ireto solontenan’ny tanora avy any amin’ny faritanin’i Toamasina ireto ny mpitarika ny vondron’antoko Rmdm, fa nanome fiofanana mikasika ny fahaiza-mitantana, mba hahafahan’ireto tanora ireto mamelo-maso ny antoko Tim indray any amin’ny faritra sy any amin’ny toerana misy azy ireo.

Nanamafy Andriamatoa Razafindrakoto Tokiniaina, mpandrindram-paritra ny tanora TIM ao amin’ny faritanin’i Toamasina, fa tokony ho sahy ampahafantatra ny vahoaka ireo zavatra tsy mety sy mamohehatra ataon’ny fitondram-panajakana ny tanora ary manontany ny olona hoe: mety sa tsy mety intsony ve izao fitantanam-pirenena izao ? Nanohy fanazavana ity mpandrindram-paritra ny tanora Tim any Toamasina ity, fa rehefa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainam-pirenena dia tokony handresy lahatra ny mpiara-belona aminy ny tanora hanaisotra sy hanolo ny mpitondra firenena, satria tsy mitsahatra mampahory ny mpiray tanin-drazana aminy ireto farany. Nanentana ny mpiara mitolona sy ny tanora Malagasy Andriamatoa Razafindrakoto Tokiniaina, mba hiray hina sy tsy hisara-bazana amin’izao tolona izao ary hanaraka ny baikon’ny mpitarika dia ny filoha Ravalomanana Marc irery ihany.

Tsiahivina fa efa niorina tamin’ny taona 2002 ity fikambanana ity ary miisa 30000 mahery ireo mpikambana ao amin’ny antoko TIM tanora ao amin’ny faritanin’i Toamasina.