Sabotsy 6 febroary izao – Vonona ny mpitsangatsangana, vonona ny mpikarakara

Ny fizarana badge eny amin’ny MBS Anosipatrana.

Isambilo

48 ora sisa dia ho raikitra ilay fitsangatsanganana lehibe hataon’ny fandaharana Miara-manonja.

Omaly teny amin’ny MBS Anosipatrana, mbola marobe tokoa ireo olona naka badge sy nividy akanjo “polo” teny an-toerana. Momba ity hetsika ity arak’izany, vonona ny mpitsangatsangana, vonona ny mpikarakara, vonona ny mpitatitra,… Io fotoana io dia sady fitsangatsanganana ho an’ny mpanohitra, no fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao koa, izany hoe Asaramanitra ho an’ny fanoherana eto Madagasikara, ho an’i Madagasikara manontolo mihitsy, satria ara ka ny efa voalaza dia ho maro ireo solontena avy any amin’ny faritra ho avy.

Nisy ny toromarika nomen’ny depiote avy amin’ny antoko TIM, voafidy tany Ambatondrazaka, Fidèle Razara Pierre momba izany omaly, tao amin’ny fandaharana Miara-manonja. Toy izao ny toromarika ho an’ireo handeha hitsangatsangana rehetra.

Mitondra badge ny olona rehetra izay handeha , ny fiara tsy maintsy misy autocollant Miara-manonja daholo. Amin’ny 6h30 maraina no miainga any amin’ny Magro Tanjombato ireo handeha fiara iombonana. Vao feno ny fiara iray dia miainga. Ny fiara tsotra kosa dia mbola ho lazaina anio alakamisy ny fandaharam-potoana sy ny fandaminana. Mitondra sakafo sy rano avokoa, fa tsy hisy mpivarotra eny an-toerana, ary mivatsy lamba hatao lafika amin’ny maha fitsangatsanganana azy.

Hanomboka amin’ny 6 ora maraina ny sabotsy izao dia handeha ny fandaharana Miara-manonja, hanomezana toromarika mikasika ny fitsangatsanganana. Toromarika ho an’ny mpitondra hoy ny depiote Fidèle: “avelao ny olona hitsangatsangana fa aza maka problème ianareo”. Viloma, sabotsy mifankahita e!