4 Febroary – Taratasin’ny mpamaky

Mampieritreritra ihany ity ho fandavahana lavadrano hataon’ny fitondrana eto Antananarivo sy ny manodidina ity.

Lavadrano sy lavapiringa, ahoana ny amin’izay?! dia mazotoa misotro ry Antananarivo mandroso sy moderne miaraka @ Ird sy ny fitondrana Rajoelina!

Fako lo eraky ny tanàna! Hisotro ny tsy fisotro ny vahoaka madinika. Ry zareo mpitondra anefa mividy rano @ tavoahangy any @ grandes surfaces ho sotroina sy handrahoina ê!

Dia hitehaka foana ianao io hoe : merci prezidà? Hanao lavadrano eto amin’ny ville Rafanja amin’ity gabone isaky ny 15 metatra misy eto an-drenivohitra sy ny manodidina azy.

Dia hisotro ranotay izany ny vahoaka amin’izao lavadrano hataon’ny fitondrana izao!

Richard Ramananarivo
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao