Vokatry ny olana tamin’ny fifidianana – Noraisin’ny miaramila ny fitondrana any Birmania

Feno miaramila ny arabe maro any Rangoun, renivohitra ara-toekaren’i Birmania.

Isambilo

Vokatry ny olana tamin’ny fifidianana tany Birmania, any amin’ny kaontinanta Azia iny, noraisin’ny miaramila omaly ny fitondrana any an-toerana ary nambaran’izy ireo, fa latsaka an-katerena sy ampiharina any an-toerana ny hamehana mandritra ny herintaona. Izany hoe naongan’ny miaramila ny fitondrana sivily nisy tany amin’ity firenena ity, izay notarihan’ilay Ramatoa nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana: Aung San Suu Kyi. Nosamborin’ny tafika Ramatoa Aung San Suu Kyi, lehiben’ny fitondram-panjakana any amin’ity firenena ity, sy ny Filohan’ny Repoblika Win Myint, omaly vao maraina.

Nandresy be ny antoko notarihany, ny LND (Ligue Nationale pour la Démocratie), tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao tany an-toerana ny 8 novambra 2020 lasa teo. Milaza anefa ny ao amin’ny tafika any an-toerana, fa feno hosoka izany fifidianana natao izany. Ka dia io nanambara io izy ireo, fa mba hisian’ny filaminana sy fitoniana any Birmania dia noraisin’izy ireo ny fitondrana.

Efa notazonin’ny miaramila, na natao “résidence surveillée” nandritry ny 15 taona Ramatoa Aung San Suu Kyi taorian’ny fandresen’ny antokony tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 1990, dia izao miverina izao indray ny olana toy izay nitranga tamin’izany fotoana izany. 5 taona nitondrana arak’izany ny antoko LND dia izao nosomparan’ny tafika Birmane naongana izao indray.

Manameloka izao fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila any Birmania, na Myanmar izao, ny Firenena Mikambana, i Etazonia, i Australia, ary ireo firenen-dehibe rehetra mandala ny demokrasia,…