Ataon-dRajoelina filamatra ny filoha Ravalomanana

Ny Valosoa

Ny zavatra rehetra mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana dia ahitana fa filamatra ho an’i Andry Rajoelina ny Filoha Marc Ravalomanana.

Nahomby hatrany ny Filoha Ravalomanana na teo amin’ny fitantanana Orinasa, na teo amin’ny fitondrana ny firenena, tsy nisy tsy niaiky ny hakingana nananany tamin’ny fifehezan-draharaha, nahita izany ny fahavalompirenena, ka dia mba nitady olona hanindry ny ataon’i Dada, dia Ingahy Filoha ankehitriny no notefitefena nasaina mandika sy maka tahaka izay ataon’ny Filoha Marc Ravalomanana.

Dia niroso tokoa ilay mpandika, natomboka tamin’ny firotsahana ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra aloha, avy eo dia nanao izay nahatongavana ho filohampirenena, saingy tsy mitovy teo amin’ny fomba nampisaina, satria ny Filoha Ravalomanana nandeha tamin’ny alalan’ny fifidianana madio, f’Ingahy filoha ankehitriny nanongampanjakana aloha tamin’ny taona 2009, avy eo indray dia niantehitra tamin’ny fifidianana feno hosoka tamin’ny 2018.

Ny fanaovan-dalana no anisan’ny nahafantarana ny Filoha Ravalomanana, dia iny koa mba nitanisa fampanantenana poakaty Ingahy Rajoelina, fa amboarina daholo hono ny lalana eto Madagasikara, hanao « autoroute, téléphérique, tramway, sns… » , dia nisy koa ireo fitaovana nomena ireo faritra sasantsasany , kanefa tsy misy ny tetikasa mazava ary tsy ampelatanana akory ny hoenti-manana, na dia ny farafahakeliny hikojakojana ireo fitaovana aza.

Ny Filoha Ravalomanana dia nahatsapa fa ilaina tsinjovina ireo tantsaha 80 isanjaton’ny malagasy, izay no nahatonga ny fisian’ny PSDR nanampy ny tantsaha, sy ny nananganana ny Fanamby Rice Meal, izay nikarakara ny fambolem-bary tany Alaotra, nividy ny vokatr’ireo tantsaha nisorohana ny fanararaotana fanaon’ireo mpijirika. F’Ingahy Rajoelina tamin’ny kabary fanaony isaky ny 15 andro tamin’ireny hamehana ara-pahasalamana ireny dia nampanantena, fa hividy ny vokatr’ireo tantsaha, hatramin’izao dia tsy tontosa izany ,ary dia nahasahy niteny koa Ingahy Filoha, fa ny fambolena ny artemezia hono no tokony ho laharampahamehana, fa tsy ny fambolembary ary amin’izao indray dia ny fanafaram-bary any ivelany no imatimatesany, dia ny resaka vatsy tsinjo sy ny tosika fameno, izay mazava fa vary amidy mora eto amintsika, tsy tontosa anefa izany, raha tsy misy ny fanentsenana ny vidiny ataon’ny fitondrana, izay midika hoe fanampiana ataon’ny fitondrana malagasy ireo tantsaha any ivelany, kanefa ny tantsaha malagasy tsy misy fitsinjovana.

Nampiavaka ny Filoha Ravalomanana koa ny fanaovana asa haingana sy tsara ary ara-potoana, dia iny koa i Zandrikely rehefa mahazo fitenenana, mitanisa ny hoe : « fantatrareo moa fa izaho dia olona miasa haingana », kanefa dia efa iaraha-mahita f’izay lazain’ny vavany dia tsy misy tanteraka ara-potoana, na very an-javony mihitsy aza, toy ny « digitalisation» afaka folo andro, sns… Ny gazety Ny Valosoa ary dia efa nilaza fa fitondrana toy ny fandehan-tsokatra no misy eto amin’izaao fotoana, fa tsy lamasinina haingam-pandeha TGV izany.

Nataon’ny Filoha Ravalomanana vaindohandraharaha ny lafiny fanabeazana, tamin’ny alalan’ny fanorenana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa toy ny sekoly sy ny kojakoja ilaina, ny fizarana ireo «kits scolaires », ny fanaovana ireo « cantine scolaire » ary ny fitsinjovana ireo mpanabe toy ireo mpampianatra Fram, izay tsy nijaly karama tamin’ny fitondrana Ravalomanana, f’i Zandrikely kosa dia ireny iaraha-mahita ireny ny « tablier » mampihomehy be nozaraina, ny fitaovana nomena tsy ampy, ny fotodrafitrasa tsy zarizary, ankoatr’ireo ny fijalian’ireo mpampianatra Fram sy « ECD » tsy mandray karama ambolana maro.

Betsaka ny azo tantaraina fa raha tena vonona haka tahaka an’i Dada marina i Zandrikely, dia tokony ireo toetra ambony mampiavaka ny Filoha Ravalomanana no ilaina raisiny ho maodely, toy ny fandeferana, ka nanaja ny valim-pifidianana navoakan’ny Fitsarana avo , ny fiarahabana ny filoha voafidy na dia fantatra aza fa fifidianana feno hosoka no nisy teto, ary ny fanetren-tena nanatrika ny fianianana teny Mahamasina.

Tsy maintsy ho avy ny fifidianana na ho amin’ny 2023 na hiroso aloha, koa antenaina fa ho tahafin’i Zandrikely ny ohatra tsara nasehon’i Dada dia ny fialana amin’ny hosoka fanao amin’ny fifidianana ary rehefa tsy lany eo dia hiarahaba izay lany eo, ary ho tonga hanatrika ny fianianana.