Ady tsy vita ao amin’ny CUA – Nitory ny ben’ny tanàna Vazahabe i Clémence

Helisoa

Ady tsy vita ny ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ao. Nitory ny ben’ny tanàna Vazahabe eny amin’ny Fitsarana omaly ny mpanolotsainan’ny tanàna Clémence Raharinirina. Manoloana ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina Franck Michel dia nisy ny fitorianana nataon’i Clémence Raharinirina amin’ny maha olom-pirenena tsotra azy, sy maha tafiditra azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, teny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakàna (tribunal admistratif) teny Anosy omaly 1 febroary 2021.

Hitory ny ben’ny Tanàna aho hoy i Clémence Raharinirina, fa marobe ny tsy fanarahan-dalàna ataony amin’ny fitantanana ny tanànan’Antanarivo, mitaraina ny mponina vokatr’izany, ka tsy afaka ny hipetram-potsiny amin’izao ny tenako hoy azy, araka ny fanambarana nataony tamin’ny mpanao gazety.

Miisa 5 ireo antony nitoriana azy, ka voalohany amin’izany ny tsy fanatanterahany ny fanapahankevitry ny mpanolotsaina ny Tanàna. Ohatra amin’izany ny fandrodanan’ny CUA ny tsena teo Soarano, izay efa tsy neken’ny mpanolotsaina ny Tanàna, nefa avy hatrany dia niroso tamin’ny fandrodanana ny ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina.

Faharoa manaraka izay, tsy manaja ny fem-potoana tokony homena ny kaominina tarihin’ny ben’ny Tanàna rehefa handrodana trano. Ohatra amin’izany ny teny Analamahitsy, izay 48 ora no fem-potoana nomena azy ireo hiala amin’ny trano fivarotany. Amin’izao fotoana izao dia efa mitory any amin’ny tribonaly ady heloka ireo olona voakasiky ny fandrodanana.

Fahatelo, eo ny tsy fanajàna ny fanapahana noraisin’ny mpanolotsaina teo aloha. Voakasik’izany ny fahitalavitra MBS izay nanao fifanarahana tamin’ny kaominina: bail mandritra ny 50 taona. Namoaka note tsotra anefa i Naina Andriatsitohaina, fa omena 6 volana ny MBS hiala eo Anosipatrana. Toy izany koa ny etsy amin’ny Esplanade Analakely, izay namoahana note tsotra fotsiny hanesorana ireo mpivarotra eo , nefa 10 taona no nifanarahana tamin’ny kaominina hivarotana eo, rehefa vita izany vao afaka manavao ny fifanarahana indray izy ireo sy ny mpitantana ny Tanàna. Ny mpanolotsaina ny Tanàna vaovao ihany hoy Clémence no afaka manafoana ny fifanarahana nataon’ny teo aloha.

Faha-4, resaka CMH ( code municipal d’higiène). Tena mitaraina ny mponina eto Iarivo vokatry ny fidangan’ny lamandy alain’ny tanànan’Antananarivo. Aiza ve hoy Clémence Rahariniriana dia 3 hetsy ariary, araka ny nambaran’ny depiote teny an-toerana ny lamandy alaina amin’ireo olona manahy vary eny amin’ny digy. Mbola tsy nisy teto amin’ny Tanàna izany. Ireo olona ireo araka ny fanambaràna dia 15 andro ihany no manahy vary, fa tsy hoe fotoana lava be akory. Io fampiharana lalàna io dia tsy nandalo fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina ny Tanàna akory.

Farany, teo ny tsy fitazonana ny teny nomena. Lazaina fa raha vao tonga eo amin’ny toerana maha ben’ny Tanàna azy Naina Andriatsitohaina dia esoriny ny EASY PARK ary tena nilokaloka mihintsy Vazahabe tamin’izany. Hatramin’izao mbola mitango vola sy manao ny asany soa amantsara ny Easy Park. Tsy voasoratra ao amin’ny veliranon’Iarivo ny fangalàna lamandy lafo be amin’izao; vokatr’izany mizaka ny tsy eran’ny aina ny mponina eto Iarivo, ka rariny raha mangataka ny fialàn’ny ben’ny Tanàna aho hoy Clémence Rahariniriana.