Vokatry ny kere – Mitohy ny fifindra-monin’ireo olona avy any Atsimon’ny Nosy

Stefa

Vokatry ny kere any amin’ny tapan’ny Atsimon’ny Nosy iny amin’izao fotoana, tsy vitsy ireo mponina avy any, mihazo ny tapany avaratr’i Madagasikara.

Araka ny vaovao voaray, mitombo ihany ny mpifindra monina miala any atsimo. 75 eo izy ireo avy any Bekitro, distrikan’i Bekily, faritra Androy no tonga tao Andranovory faritra Atsimo Andrefana afak’omaly.

Tonga teto Antananarivo omaly izy ireo ary hianavratra, hihazo an’i Maevatanàna, faritra Betsiboka; Ambondromamy, faritra Boeny ary Tsiroanomandidy faritra Bongolava no anton-diany, izay toerana mamokatra, sy heverina fa ahitana antom-pivelomana tsaratsara kokoa noho ny tany amin’ny nisy azy tany Atsimo.

Efa nomanina mihitsy ny diany satria fiara efa voamana mialoha no andehanan’ireo mpifindra monina ireo.