Fanozonana ho faty – Nitory eny amin’ny « cybercriminalité » ny filoha Ravalomanana

Stefa

Kaonty karazany 3 no nanozona ny filoha Marc Ravaalomanana ho faty ny faran’ny herinandro teo, noho izay antony izay, nitory eny amin’ny sampan-draharaha momba ny « cybercriminalité », na heloka atao amin’ny tambazotran-tserasera ny filoha nasionalin’ny antoko TIM sy ny RMDM.

Ny fanozonana ho faty nataon’izy ireo tamin’izany : ny voalohany dia sarin’i Dada no mipetraka eo ambony vatam-paty iray, ny faharoa dia fehezam-boninkazo misy soratra hoe: « Ho an’i Ravalo malalanay », ary ny faha-3 dia ny filoha Ravalomanana mihitsy ny sariny no nataony ao anaty vatam-paty, izay tena asan-demony, sady miendrika famosaviana tanteraka. Nisolotena an’i Dada nametraka fitoriana tetsy amin’ny « cybercriminalité » Anosy ny faran’ny herinandro teo ny mpisolovava azy, Me Eloi Ratefimahefamijoro.

Maro no nahita ireo sary ireo tamin’ny facebook ny faran’ny herinandro teo ary samy nametraka fanontaniana : aiza ny tomponandraikitry ny sampandraharaha misahana ny « cybercriminalité » amin’izao fanozonana olona ho faty izao? Azo ekena ve ny fanao tahaka izany, indrindra fa filohampirenena teo aloha no voakasika? Samy miandry am-pitoniana ny fandraisan’andraikitra tsy mitanila ny rehetra, noho izao zavatra mamoafady loatra nataon’ny mpomba ny fitondrana Rajoelina izao.