Mpanohana an-dRajoelina – Mipatitaka be ihany ny any ivelany

Mipatitika ny mpomba an'i Rajoelina ao Frantsa

Niaina

Araka ny vaovao voaray, mipatitaka be ihany amin’izao fotoana ny mpomba ny fitondrana, sy ny filoha Rajoelina any ivelany, indrindra fa ireo any Frantsa, noho ny resaka tombontsoa, sy ny fiadiavana ho lohany eo amin’izy ireo.

Tsy miravona ny disadisa amin’ny samy mpanohana ny filoha Andry Rajoelina any an-dafy. Mizarazara ny TGV, nitriatra nivakivakivaky ihany koa ny TEM (Tous Ensemble pour Madagascar), noho ireny resabe nataon’ny mpikambana TEM mahakasika ny fanendrena ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny FUM (Foyer Universitaire Malgache) any Frantsa ireny. Efa mandray ny asany amin’ny maha Talen’ny Akany (Foyer), FUM Arago azy rahateo i Ramanamirija Andrianome (mpandrindra TEM), izay fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Bob.

Tamin’ny farany herinandro teo indray, namoaka fanambarana ny lohandohany TGV ivelany fa: “Mba tsy ho vesatry eo amin’ny filohan’ny Repoblika ny fizarazana misy amin’ny Antoko TGV izay mivaky roa aty ivelany, sady mba ho fitsimbinana sy fiarovana ny filoha eo imason’ny Diaspora Malagasy ety ivelany, rehefa avy nifampiresaka tamin’ny filohan’ny Repoblika sy ny lohandohan’ny TGV nasionaly izahay dia nanapakevitra, fa hankinina vonjimaika amin’ny Biraon’ny TGV farany tarihin’i Rakotovao Organes, izay nahazo fankatoavana tamin’ny Birao Nasionaly ny fitantanana ny antoko TGV ivelany”, izay no ampahany fanambarana nataon’i Roberto Sambahita, filohan’ny TGV ivelany, sy ny Sekretera Jeneraly, Swen Ravelontsalama.

Midika izany fa nasintaka, na nisintaka tamin’ny fitantanana TGV ivelany ny ekipan’i Roberto Sambahita. Ny hany azo antoka, taoriana kely nivoahan’io fanambarana io dia nisolo avy hatrany ny anarana sy ny sary famantarana ny vondrona manokana nisy ny TGV ivelany tamin’ny tambazotran-tserasera, izay niova ho: “Think MadaGascar”. Misy raha tsy milamina ao arak’izany amin’ireo mpomba ny fitondrana any dilambato, raaha ny vaovao re, toa misy fifanipahana toy ny valala an-karona izay koa eto an-toerana amin’ny mpiara-dia amin-dRajoelina, ho vaky tokoa ve ny sambo? Ny hita sy tsapa aloha dia efa manonjanonja sy misamboaravoara ny fiainam-pirenena.