RMDM Melaky – Mitaraina ny tany

Stefa

Mitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana indray ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, any amin’ny faritr’i Melaky.

Mitaraina ny tany, hoy izy ireo : “MITARAY NY TANY”. Izao zava-misy rehetra eto Madagasikara izao hoy ny fanambarana dia vokatry ny safidintsika. Indrindra tsika amin’ny faritsy nanome vato ambony +80% ity fitondrana Rajoelina ity.

Nanantena fatratra, fa fiadanana no hita kinanjo ny vary fihinananao aza nosoloany artemezia,volamenanao lasa antsokotsoko, firenenao lasa PLUS PAUVRE DU MONDE, faharoa amin’ny mahantra indrindra eran-tany. Tseriky sady gaga zahay, nefa tsy tampoky aminay, fa MIZARA ROA NY LALANA MISY ETO raha ny sociologie politiky no jerena:
-Misy ny tsy manao cache bouche, ny sasany ampanadiovina dalle sy ampamafana.
-Misy mitrandraka volamena zara mahita 1g nefako samboriny zandaro ampolony, ny sasany tsy hitan’ny camera sy rayon X nefa mamoaka 73kg.
-Tanin’ny gasy kasay totofana hanaovana Tanamasoandro, ny an’ny karana sy sinoa jerem-potsiny.
-Bois de rose aman-taonina sy contenera maro no naboaka teto tsisy olana, fa gasy madinika nitetika ala…
-Mampiditra ARME 3e degré jerem-potsiny, fa ny miarotena amin’ny basimborona, avy dia gadra…
-Tratra nangalatsy fripy 1 ny madinika dia voasazy fa ilay BONBON SUCETTE, ECRAN PLAT… tsy misy tohiny. Mivadika ambony ambany tsy hita ny lalana eto . Mijereva izay manamaso, mihainoa zay manasofy. Ho an’ny tanindrazana, hoy ny RMDM Melaky.