NY ZAVA-BAHOAKA

Ny zava-bahoaka, ny harem-pirenena,
Tsy toy ny fanananareo samy irery,
Ka azonareo ampiasana hafetsena
Na kononkononina tsisy mpijery.

Tsy toy ny fitaovanareo ao an-trano.
Tsy toy ny eny an-koditrareo velively.
Tsy ilay fakitioran’ny jiro sy rano
‘Zay azo amboamboarina fa “diso kely”!

Ny zava-bahoaka tsy izany, tsy izany,
Fa mila dia mila manao teny ierana.
Tsy hoe mahamenatra ny manontany,
Na koa maka hevitra ho fifanajana.

Tsy hoe “tapitr’ohatra” ianao eny ambony
Dia handidididy amin’ny tsy anao irery,
Fa mampisendaotra, mandona ny fony,
Ny zava-bahoaka nalaina amin-kery.

…Ny zavatra afenina, hipoitra ato ho ato.
(Aza atao varo-boba ny zava-bahoaka!)
Ry “miara-manonja” o! tohizo tsy miato,
Ny vaky bantsilana sy ny ampamoaka.

DADAN’i ZINA (26-01-21)