FFKM – Tsy mazava ny momba ny fanampiana tamin’ny covid19

Isambilo

Ny alahady 24 janoary 2021 teo no ivon’ny fankalazana ny herinandro fiaraha-mivavaka eran-tany amin’ity taona ity. Anisan’ny mandray anjara ny FFKM, na Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara. Ny lohahevitra amin’izany dia ny hoe: mitoera ao amin’izany fitiavako izany ianareo, dia hamokatra be: Johany 15:5-9, DIEM. Ny teto Antananarivo dia natao tao amin’ny FLM Ambatovinaky ny alahady tolakandro teo ny fotoam-pivavahana mahakasika izany.

Nisy ny fanambarana nataon’ny mpitarika ny FFKM nandritra izany, nahitana ireo mpitarika Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona avy amin’ny EKAR, ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi avy amin’ny FJKM, Pasitora Dr Rakotozafy Denis avy amin’ny FLM ary Mgr Ranarivelo Samoela Jaona avy amin’ny EEM. Anisan’ny nisongadina, fa tsy mazava ny fampiasana ny fanampiana tamin’ny covid19, nataon’ny fitondram-panjakana hoy ny FFKM.

Mazava izao hoy ny fanambarana, fa misy ny tsy mangarahara matoa ny rehetra mangataka izany, na mpanao politika io, na olon-tsotra, na mpitondra fivavahana. Tsy ampy ny tatitra nataon’ny governemanta, hoy ny teo anivon’ny FFKM, ka miteraka ahiahy eo amin’ny vahoaka.

Ankoatr’izay dia nasian’izy ireo teny ihany koa ny fanondranana ny harem-pirenena antsokosoko toy ny volamena, ny andramena, sns… Tokony hisitraka izany ny vahoaka maro an’isa, fa tsy olom-bitsy mpanao trafika fotsiny.

Nanao antso avo koa ireo ray aman-drenim-piangonana ny hanavaozana ny politikam-panjakana, mba hahafahan’ny vahoaka misitraka an’ireo haren’ny taniny ireo.