Miakatra ny maripana politika – Mikoropaka sy mipararetra ny fitondrana

Rajo

Manoloana ny famoahana ny marina sy ny ampamoaka ataon’ny mpanohitra ao amin’ny radio Miara-manonja ankehitriny, dia miha-miseho tsikelikely ny marina. Voaresaka na ny fitantanana tamin’ny famatsiam-bola avy any ivelany iadiana amin’ny valanaretina coronavirus, na ny resaka Jirama, na ny fidangan’ny vidim-piainana, na ny tsy fandriampahalemana, na fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena, na fanenjehana ny mpanohitra, sns… Manoloana izay fiakaran’ny maripàna politika izay, nivory ireo tompon’andraikitra samihafa voakasik’izany, notarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Anisan’ny votoatin’ny fihaonana nandraisana fanapahan-kevitra ny tsy tokony hisian’ny fanakorontanana, izay mety hitarika tsy fandriampahalemana, raha ny nambarany, ka nahatonga azy ireo handray izany fanapahan-kevitra izany. Nambarany fa mety hanohintohina ny filaminana sy ny adim-poko hono ny famoahan’ny mpanohitra ny marina sy ny ampamoaka eto amin’ny firenena. Hatreto anefa dia mbola nanamafy hatrany ny mpanohitra, fa tsy maintsy hilaza ny marina hatrany ary hampahafantatra amin’ny vahoaka malagasy ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Noho ireo antony ireo, mikoropaka sy mipararetra noho ireo tsikera mivoaka ao amin’ny Miara-manonja ny fitondrana Rajoelina, hany ka lasa fanenjehana fiainan’olona manokana sisa no anenjehan’izy ireo ny mpanohitra, sy ireo mpanentana ny fandaharana Miara-manonja.