Miara-manonja 6 febroary 2021 – Fitsangatsanganana fa tsy fanonganam-panjakana

Helisoa

Herinandro vitsy izao no nisy ny fandaharana Miara-manonja, amin’ireo onjampeo maromaro miainga eto Antananarivo, raisin’ny any amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera, sy ny radio mampita izany, sy ny fahitalavitra MBS koa.

Ao anatin’izany, may volon-tratra ny mpitondra fanjakàna ny hivoahan’ny marina amin’io fandaharana io dia mampiasa izay hery eo ampelatanany anapotehana azy. Isan’ny ampamoaka tena tsy zakan’ny fanjakàna dia ny famotsipotseran’ireo mpanao politika toa an’i depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle Razara Pierre, ny minisitra teo aloha Andrianjato, sy ry Guy Maxime, sns … ao anatin’ny Miara-manonja ireo dossier maloto eto amin’ny firenena, indrindra ny mikasika ny resaka volamena 73,5 kg tratra tany Afrika Atsimo. Manoloana izany, nipoitra ny fampitandremana sy fampitahorana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho an’ireo lazainy fa manakorontana eto amin’ny firenena. Ela ny ela ka nipoitra indray ity Praiminisitra ity izay nangina tsy nahitan-teny mikasika ilay volamena 73kg mahery io, nefa zava-dehibe eto amin’ny firenena.

Manaraka izany, eo ny fampiakarana ireo mpamono afo Ragôva, depiote, sns… nefa lasa vao mainka mitsoka afo, ao amin’ny onjampeo isan-karazany manamarin-tena sy manatsara ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina, milaza hoe tsy misy ohatra io filoha io fa manana vitesse mafy be io, sns… ?

Ankoatra izay, ampiasaina ny kaonty Fako tao anatin’ny andro maromaro manaratsy ny filoha Marc Ravalomanana, ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle Razara Pierre, ka ny fiainana manokana no tanisaina amin’izany amin’ny alalan’ny fanalambaraka tsy misy porofo. Aiza tokoa ny cybercriminalité amin’izany? Raha ny fantatra aloha dia mazava ho azy, fa avy any amin’ny mpitondra no manao ireny fanaratsiana isan-karazany ireny, amin’izay angamba hoe tsy sahy maneho hevitra intsony ireto farany mahita ireny fanalambaraka sy fampitahorana ireny. Tsy mampihemotra anay ireny hoy ny solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny fandaharana Miara-mpanonja, fa ho reraka eo ianareo. Vao mainka manaratsy endrika ny fitondràna aza ireny hoy izy.

Misy ny fotoana hiarahana mitsangatsangana amin’ny toerana iray ny 6 FEBROARY 2021 ho avy izao, izay karakarain’ny MIARA-MANONJA . Misoratra anarana eny amin’ny MBS eny Anosipatrana izay handeha amin’izany araka ny fandaminana nataon’ny mpikarakara. Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia efa maro, efa mananika ny arivo ireo nisoratra anarana isan’andro. Nahita izany indray ny mpitondra dia mahana amin’ny zavatra nataony tamin’ny 2009 dia nilaza fa hanongam-panjkana sy mikendry rà mandriaka ny filoha Marc Ravalomanana sy ny depiote Fidèle sy Me Hanitra Razafimanantsoa,… Hita izany ao amin’ny gazetin’ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy, sy gazetin’ny olona akaiky ny filohan’ny repoblika, Mamy Ravatomanga ary atao ao mihintsy ny sarin’izy 3 mianadahy mianaka. Fitsangatsangana ve no karakaraina dia lazaina fa fanonganam-panjakàna? tena mahana tamin’ny ratsy nataony tamin’ny fanonganampanjakàna tamin’ny taona 2009 tokoa ny mpitondra ankehitriny; ka izay mihetsika rehetra na hitsangatsangana aza dia lazaina fa hanongam-panjakàna; aiza re izany e? Ny tody tsy misy fa ny natao no hiverina, tonga ho azy izany rehefa leo sy empaka ny vahoaka izay tompon’ny fahefana!