Ministeran’ny fahasalamana – Mamaky ady amin’ny mpanao gazety

Niaina

Mahakasika ny raharahana teraka tetsy amin’ny Hopitaly Joseph Raseta Befelanana, tao aorian’izany, mamaky ady amin’ny mpanao gazety ankehitriny ny ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana, sy ny fitaleavana misahana ny serasera ao amin’izany departemanta izany.
Noesorin’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, tsy hahazo vaovao intsony eo anivon’io ministera io ny mpanao gazety ao amin’ny Radio Antsiva, ny RTA, ny l’Express de Madagascar, satria nitatitra vaovao avy amin’ny fianakaviana maty zanaka teny amin’ny Hopitaly Befelatanana.

Mifanohitra amin’ny nambaran’ny ministera ny nambaran’ny raim-pianakaviana maty zanaka. Nilaza ny ministera, fa niaiky satria diso ary nifona ilay raim-pianakaviana. Nanamafy anefa ny fianakaviana, fa noterena tamin’ny antso an-telefaonina sesilany hanao fifonana am-pahibemaso sy fialan-tsiny. Tsy nanao izany ny fianakaviana. Mbola nanamafy, fa marina ny nambarany, fa nampifamadiahana tamin’ny zanak’olon-kafa ny zanak’izy ireo.

Noho ity raharaha ity, voatohintohina ny asa fanaovan-gazety na dia efa nivoaka aza ny lalànan’ny fifandraisana, fa malalaka ary tokony hisokatra ho an’ny mpanao gazety ny vaovao rehetra eny anivon’ny ministera.

Rohy:
Horonantsary momba ilay zaza maty teny amin’ny hopitaly Befelatanana
‘https://www.facebook.com/officiel.rta/videos/zaza-maty-teny-aminny-hopitaly-befelatanana/161895262106794/