26 janoary 2019 – Nanombohan’ny fanjakan’i Baroa an-dRajoelina

Andry Tsiavalona

12 taona androany ny Alatsinainy mainty, izay raha tsiahivina dia nirehitra ny Renivohitr’i Madagasikara!

Nanomboka tamin’iny andro iny ihany koa no niandohan’ny fanjakan’i Baroa an-dRajoelina sy ny forongony, izay nolazaina tamin’izany fotoana izany, fa « revolisiona volomboasary ». Rehefa midedadeda tokoa ny afo dia ny lokom-boasary no hita tena misongadina. Tsy ny fandorana trano ihany no nataon’ireo lazaina fa “vahoaka” nanao fihetsiketsehana, fa nandroba toeram-pivarotana maro teny Ankorondrano sy Tanjombato koa izy ireo. Ankoatra izany, nodorany sy norobainy ihany koa ny Fampielezampeom-pirenena (RNM) etsy Anosy sy ny Televiziona Malagasy (TVM). Tsy teto an-drenivohitra fotsiny ihany koa no nisy izany fanehoana fankahalana sy fialonana izany, fa niitatra hatrany amin’ny renivohi-paritany: Toamasina, Fianarantsoa, Toliara, Antsirabe,… Iaraha- mahatadidy fa ny orin’asan’ny Filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany, Ravalomanana Marc, no tena lasibatra. Tsy afaka miala, fa tomponandraikitra sy nitarika izany hetsika mamoafady izany ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, Rajoelina Andry. Hita amin’ireo horonan-tsary “ny fitsofany rano” ireo olona notarihany nanao izany fanapotehana ny mpiray firenena, sy ny fananam-pirenena izany.

Rehefa nandrafitra ny “Tondro Zotra” ny Vondrona iraisam-pirenena dia nivoitra tao ny tsy maintsy hanonerana ny fahavoazan’ireo tranom-barotra lehibe nopotehana sy norobaina tamin’iny Alatsinainy mainty iny. 5 taona Rajoelina Andry no teo amin’ny fitantanana ny tetezamita kanefa dia tsy nisy voaonitra ireo fandravana namporisihany notanterahin’ireo mpiara-dia taminy ireo. Tsy mahagaga loatra izany satria tsy nisy mpiray antoka (PTF) nanome fanampiana azy na iray aza.

Tsy miafina koa anefa fa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, bolabolan’andramena, volamena sy vato sarobidy naondrana, tsy antsokosoko, fa niraisan’ny mpitondra tsikombakomba ny nanatanterahana izany. Tsy adino koa ny vola be notakiana, zato tapitrisa dolara isanisany, tamin’ireo orinasa roa, Mpitrandraka vy any Soalala, sy nickel-cobalt any Ambatovy. Nisy koa ny vidin’ny Air Force One II, izay heverina fa azo nanonerana ny fahavoazan’ireo tranom-barotra voalaza etsy ambony.

Tafaverina eo amin’ny fitondrana Rajoelina Andry efa manitsaka ny faha-3 taona izao, tsy mbola manana eritreritra ny fanonerana ihany fa manangana fotodrafitrasa “manarapenitra”, hono, no ataony etsy sy eroa. Ambonin’izany dia mbola mitohy ny fanaovany tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy fanaovana bizina an-kolaka, manararaotra ny valanaretina covid-19. Malaza tato ho ato ny resaka fanondranana volamena mody lazaina fa antsokosoko kanefa dia mibaribary, fa tafiditra ao anatin’ny manodidina sy mpiara-mitantana amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy takona hafenina ihany koa ny fanaovana antsojay amin’ny Filoham-pirenena teo aloha, Ravalomanana Marc, ka nakatony avokoa ireo orinasan’ity farany, Magro, Tiko. Iaraha-mahalala anefa, fa tsy misy fiantraikany amin-dRavalomanana Marc ny sotasota sy sakantsakana isan-karazany, satria tsy misy idirany intsony ny fitantanana ireo orinasa ireo. Ny mpiasa no mitondra faisana ary tsy misy ifandraisany amin’ny fihanaky ny valanaretina izao toe-draharaha izao, toy izay misy amin’ireo orinasa voatery nampiato ny mpiasany amin’ny asa nateraky ny fihibohana sy ny “hamehana ara-pahasalamana” napetraky ny mpitondra nahazoany nanao izay tiany natao, satria ry zareo no eo amin’ny fitondrana izao aloha.

Na izany na tsy izany, sahirana ny 90% maherin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny ary tsy manantena fivoaram-piainana ho amin’ny tsaratsara kokoa, kanefa ny mpitondra dia mihanoka ao anaty harena sy milomano ao anaty rano maloton’ny fahalovana eo amin’ny sehatra rehetra. Mandra-pahoviana no hiaretana izao fangirifiriana efa mihàtra aman-taolana izao? Tsy misy lehibe toy ny vatolampy, hono, fa rehefa tsy miteny dia…! Na izany na tsy izany koa anefa, misy fetrany sy farany avokoa ny zava-drehetra.