Fanitsahana Lalampanorenana – Ministra maromaro no tokony ho gadraina 2 taona an-tranomaizina

Isan'ireo nanitsaka Lalampanorenana - Sazy, 2 taona an-tranomaizina - Tsy namaly ny antso tamin'ny "enquête parlementaire" - Razafimahefa Tianarivelo, ministry ny atitany sy ny fitsarampahefana, Randriamandrato Richard, ministry ny toearena sy fitantanambola, Andriantongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriantsitohaina Naina, Ben'ny Tanàna Antananarivo Renivohitra, Andriankaja Olivier Elack, mpandrindra nasionaly ny CCO, sy tale jeneraly ny BNGRC, Jeneraly Ravelonarivo Angelo, préfet de police Antananarivo

Ny Valosoa

Tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Mitaky ny hisian’ny fahamarinana, ny mazava ary ny mangarahara ny vahoaka Malagasy. Izany no nahatonga ireo loholona teo aloha handray ny andraikiny araky ny voafaritry ny Lalampanorenana ao amin’ny andininy faha-102 andalany voalohany, taorian’ny ady hevitra sy ny fanapahan’ny maro an’isa tao amin’ny fivoriana azon’ny be sy ny maro atrehina ny alatsinainy 30 novambra 2020 lasa teo.

Tao anatin’ny fanadihadiana mikasika ny fanampiana ara-bola entina niatrehina ny valanaretina COVID-19 dia nampanantsoina ireo ministra amperinasa sy teo aloha sy ireo tomponandraikitra mivantana na ankolaka. Tsy namaly ny antso, mba ho henoina ireto voatanisa ireto ary noho izany nomelohin’ny loholona amin’ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana ary miangavy ny Fitsaràna mahefa hampihàtra ny lalàna 2015-007 dia ny sazy an-tranomaizina mandritra ny 2 taona ho an’ireto olona ireto:
– Randriamandrato Richard, ministry ny toearena sy fitantanambola.
– Razafimahefa Tianarivelo, ministry ny atitany sy ny fitsarampahefana.
– Rakotovao Hanitrala Jean Louis, ministry ny fahasalamam-bahoaka.
– Bavy Michelle Angelica, ministry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroana ny vehivavy.
– Rakotovelomanantsoa Voary, ministry ny rano sy fanadiovana ary ny fidiovana.
– Andriantongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, ministry ny serasera sy ny kolontsaina.
– Andriankaja Olivier Elack, mpandrindra nasionaly ny CCO, sy tale jeneraly ny BNGRC.
– Jeneraly Ravelonarivo Angelo, préfet de police Antananarivo.
– Razafiarison Jugus, préfet Toamasina.
– Rafidison Richard Théodore, governora Faritra Atsinanana.
– Andriantsitohaina Naina, Ben’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra.
– tomponandraikitra ARMP.
– tomponandraikitra Commission Nationale des Marchés.
– Rasahavelo, tale jeneraly Contrôle des Dépenses Engagés.
– Rakotonirina Nantenaina, ben’ny tanàna Toamasina I.

Lohahevitra niasàn’ireo vaomiera 4 nanao fanadihadiana, na enquête parlementaire mikasika ny “doublons” tamin’ny fandrafetana lisi-pifidianana, ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika antsokosoko teto amin’ny firenena, ny fitantanana ara-bola ny fanampiana COVID-19 ary ny vono olona faobe tany Farafangana.

Voalohany – Lalampanorenan’i Madagasikara, andininy faha-102 andalany voalohany.
Ny fomba ampiasain’ny antenimiera ahafantarany ny asa sahanin’ny governemanta dia ny fanontaniana am-bava, ny fanontaniana an-tsoratra, ny fanadihadiana hentitra ary fampiasàna ny vaomiera mpanao famotorana.

Faharoa – Ny lalàna fehizoro laharana faha-2015-007 tamin’ny 3 martsa 2015.

Fahatelo – Ny fomba nananganana ireo vaomiera mpanao famotorona tao amin’ny Antenimierandoholona.
Nisy ny proposition de résolution izay nankatoavin’ny birao maharitra. Nohamafisin’ny conférence des présidents ny fanekena izany. Nolanian’ny maro an’isa nandritra ny fivoriana azon’ny be sy ny maro natrehina (session pleinière) tamin’ny alatsinainy 30 novambra 2020 ny fananganana ireo vaomiera mpanao famotorana miisa efatra, ireo loholona nandrafitra izany, ary indrindra ireo asa ho tanterahina ao anaty ny vaomiera tsirairay avy.

Fahaefatra – Ny hailamina sy ny hairindra (méthodologie) nentina hanatanterahina ny asam-baomiera.
Fanangonana ireo antontan-taratasy sy antontan-kevitra mahakasika ny fanadihadiana ataon’ny vaomiera.
Fanangonana ireo tahirintsary sy feo azo avy amin’ny alalan’ny haino aman-jery na ny gazety an-tsoratra.
Fitsirihana sy fakàna antontanisa tao amin’ny tranonkalan’ny ministeran’ny Vola.
Fitadiavana ny fisiana na ny tsy fisian’ny porofo.
Fihainoana ireo sahy mijoro ho vavolombelona.
Fiantsoana sy fanadihadiana ireo tomponandraikitra rehetra voakasika akaiky, na lavitra amin’ny raharaha itadiavana ny marina.
Fitanana an-tsoratra ireo fanadihadiana.

Farany:
Marihina fa efa natao tatitra teo anoloan’ny Birao Maharitra sy ny Antenimierandoholona sy ny Conférences des Présidents ny asan’ireo vaomiera efatra mpanao famotorana talohan’ny nanolorana azy ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny nandefasana azy ireo any amin’ny ministry ny Fitsaràna ny herinandro lasa teo.