26 Janoary – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao sy ny mpamaky azy ary ireo rehetra izay mety hiantefany izao manaraka izao:

Fampisainana kely: afaka ve ny fakon’Antananarivo rehefa tonga ireo camion lazaina fa hampiasaina? TSIA.

Tonga ndray reto ny fitaovana lazaina fa mpanao lalana. Zany hoe sahy miteny ra-fanja, fa manana mpamboatra lalana ny malagasy amin’izao, ka tsy hisy appel d’offre intsony, fa ho vitain’ny fanjakana ny lalana. TSIA koa no valiny.

Ireny rehetra ireny dia fitaovana ho ampiasain’i Rajoelina, sy ny akamany ihany, fa atao @ anaran’ny fanjakana Malagasy, mba tsy handoavan’izy ireo ny ladoany ao Tamatave. Tsy hisy lalana ho vita zany eo, fa tsy maintsy ny Colas sy ny Entreprise Btp foana no hanao ny lalana raha hisy ny fanamboarana, fa ny volampanjakana lazaina nividianana an’ireo dia hanjavona satria ho fananan’i Président, sy ny fianakaviany reny.

Afera milamina ny vola nividianana azy an’ny Malagasy, ny ladoany tsy aloa, ny fitaovana lasan’ny fianakaviana sy ny akama. Hisy ohatr’izany aiza indray. Zay no nahasahiany nandany 180M € nanaovana propagande satria ny hangalatra no anton-diany eo.

Printsy Ratafika
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao.