EDITO 26 Janoary – Raharaham-pirenena – Tsy sasatry ny mamono afo ny fitondrana Rajoelina

Helisoa

Nandritra ny 2 taona mahery nitantanan’ny fitondrana entin’ny filoha Andry Rajoelina izay dia tsy misy zavatra mivaingana hita mba vitan’ity fitondràna ity, fa fisehoana ivelany tsy laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka Malagasy iray manontolo no aretirentin’ny mpitondra. Izay zavatra avoakan’ity fitondràna ity ary toa lasa miteraka vain’afo ao an-tampondohany avokoa.

Maro ny zavatra mampikaikaika ny Malagasy ankehitriny. Santionany amin’izany ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra ny vidim-bary, izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Nidradradradra ny tao amin’ny tambazotran-tserasera izay lazaina fa 6% fotsiny, sy ny onjampeo maro samihafa tamin’ny fiakaran’io vidim-bary io. Vahaolana hitan’ny mpitondra tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny varotra dia ny resaka “kapoaka”. Vao mainka niteraka resabe io resaka kapoaka io. Taorian’izay, nivoaka mihitsy ny filoha Rajoelina namono afo nilaza, fa efa tonga ny vary 7000 taonina, izay zara raha mahavita iray andro ho an’ny Malagasy fotsiny.

Ankoatra izay, ao ny resaka JIRAMA satria tena mikaikaika ny tokantrano Malagasy amin’ny fomba fiasa ao amin’ity orinasam-panjakàna ity. Mitombo lafo ny vidin-jiro, nefa ny tolotra atao tsy mifanaraka amin’izany akory. Dia mody mitabataba indray ny filoha Rajoelina tany Toamasina mibedy ny tale jeneralin’ny JIRAMA hoe: “atsarao aloha ny fitantanana vao mikasika ny resaka fampiakarana ny vidin’ny jiro sy ny faktiora ianareo”. Angaha moa tsy misy minisitra tompon’andraikitra mitantana ny angôvo mibaiko ny mpitantana ny JIRAMA e? angaha moa tsy eo ambany fahefan’ny Praiminisitra, ny minisitry ny angôvo e? angaha moa tsy eo ambany fahefan’ny filohampirenena ny Praiminisitra e? koa maninona no alefa any amin’ny mpitantana ny JIRAMA ny rihitra. Zon’ny mpitondra fanjakana no manome baiko ny olona eo ambany fahefany, fa tsy voatery atatatata amin’ny haino aman-jery ny fibedesana azy satria te-haka ny fon’ny vahoaka Malagasy ianareo.

Eto izany dia tsy vitan’ny mpamono afo mitety onjampeo intsony, na amin’ny alalan’ny kaonty FAKO ao amin’ny tambazotran-tserasera, izay vao mainka mampiredareda ny afo intsony ny resaka, fa tena ny filohan’ny Repoblika napetraky ny HCC izay lany tamin’ny DOUBLON araka ny nambaran’ny parlemantera rehefa nanao tatitra no mamono afo amin’ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Izy filoha mihitsy no ho main’ny afo ny farany, satria tsy ho faty intsony ny motro!