Raharaha volamena 73,5kg – Vendrana ve sa mandainga ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (na ny SEG)?

“Tena jeneraly vorontsiloza mihitsy ity Risara baomba ity”, hoy ilay ranamana iray izay. Dia maha-menatra tokoa ity Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) ity raha tomponandraikitra ambony toy izao no milaza lainga marivo fototra. Sidina antsokosoko hono no nitondra ny volamena 73,5 kilao tany Afrika Atsimo. Dia vendrana angamba izany ireo tomponandraikitra mpanadihady ao amin’ny zandarimaria na manao lainga marivo fototra.

Ny volamena no nisy namoaka antsokosoko ary dia manjary ny fiaramanidina indray no lazaina fa nandeha antsokosoko. Raha teknisiana no anontaniana hoe antsokosoko ve iny sidina Antananarivo – Johannesburgh nataon’ny fiaramanidina 5R-ASB nandeha sy niverina ny andro 31 desambra 2020, dia eo noho eo ihany ny valiny fa ara-dalร na. Tsy toy taksiborosy akory ny fiaramanidina, indrindra rehefa mandeha firenena hafa izany, ka hoe mandehandeha foana tsy misy fanamarinana.

Ny andro mialoha an’io sidina io dia efa nipetraka ny taratasy fampahafantarana (Dรฉclaration gรฉnรฉrale) ara-dalร na milaza ny anaran’ireo mpanamory roa sy mpandeha telo. Ara-dalร na ny fipetrahana tao Toliara nanampiana solika noho ny fahalavirantoerana. Toy izany koa na ny fipetrahana tany Johannesburgh, ny fampidirana solika indray koa sy ny fiverenan’ny fiaramanidina niaraka tamin’ny mpanamory eto Antananarivo dia samy ara-dalร na daholo. Araka izany dia ara-dalร na ny sidina fa tsy antsokosoko, ary tsy nisy mpandeha roa amboniny izany izay saika handeha koa, fa nampidinina mba hampidirana ny volamena, toy ny filazan’ny SEG. Lainga!

Maro ny fandrebirebena ataon’ny fitondrana ary ialร ny ny fanontaniana tena andrasana valiny, toy ny hoe: iza no tompon’ny volamena? Nahoana no maty ny camรฉra tao Toliara ny 31 desambra ary afaka manamarina izany ny tale jeneralin’ny ACM izay niala sasatra tao Toliara io andro io? Nahoana koa ny camรฉra tao amin’ny orina asa STA dia maty koa nanomboka ny alin’ny 30 desambra ka hatramin’ny 31 desambra tamin’ny 12 ora antoandro?

Rohy:
Fandaharana Miara-manonja 19 janoary
‘https://youtu.be/5cmtGsf0H2I?t=3790

Horonantsary, Antananarivo, 7 janoary 2021
‘https://youtu.be/GS_TUN6EHos?t=25

Fivoriana tao amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny mikasika ny raharaha volamena 73,5kg tratra tany Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020, natrehan’ny sekreteram-panjakana miadidiy ny Zandarmaria (Seg), ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, ny ministry ny Fitsarร na, ny ministry ny Harena an-kibon’ny tany, ministry ny Fitaterana.

Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria no miteny:

“Ny ministry ny sรฉcuritรฉ publique-n’ny polisy dia ny marainan’ny voalohany janoary dia efa “saisi” tamin’io raharaha io. Satria io “avion” io tsy tokony afaka nandeha tany Afrika Atsimo, tsisy contrรดle PAF, tsisy contrรดle santรฉ, tsisy contrรดle douane. Izany hoe nivoaka antsokosoko teto Madagasikara izany io.

Nanomboka tamin’izay dia efa nandray andraikitra ny polisim-pirenena nanokatra enquรชte mikasika an’io hoe: ity misy mivoaka tsy ara-dalร na eto Madagasikara, inona no antony?
Niantso ahy ny filoham-pirenena nilaza hoe: “ianao ve mahalala an’izany hoe volamena tratra any Afrika Atsimo izany?”.

Tsy mbola nandre an’izay aho andriamatoa filoha. Ny 2 janvier maraina io. Tsy mbola nahalala an’izay aho andriamatoa filoha. Misy an’izay hoy izy any an. Mba iangaviako ianao, raiso ny enquรชte, mba atao hoe iza no tafiditra amin’io. Iza avy izay ao. Ary izaho na iza na iza tafiditra amin’io dia ataovy ny enquรชte-nareo araka ny tokony ho izy fa tsy misy indrafo mihitsy io enquรชte atao io. Dรฉferrer-na rahampitso ilay izy satria tapitra ny dรฉlai de garde ร  vue amin’io enquรชte io. Efa misy olona maromaro voasambotra, ao anatin’izay ny anankiroa tsy afaka nandeha avion.”