Mpianatra ho mpitsabo – Manainga ny fanjakàna hijery ny olan’izy ireo

Helisoa

Manatanteraka fitokonana am-pilaminana etsy Ankatso ny fikambanan’ny mpianatra ho mpitsabo etsy Ankatso ny maraina teo mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana 5 volana (Volana Febroary 2020,volana Martsa 2020,volana Oktobra 2020,volana Novambra 2020,volana Desambra 2020) miampy ny “Equipement” sy ny “Allocation de stage”.

arihina fa miisa 4500 ireo mpianatra miray feo amin’ity fitakiana ity noho izany manainga an’ ireo tompon’andraikim-panjakana hikery akaiky ny olan’ny mpianatra ho mpitsabo. Mbola ampilaminana ny fitakiana atao amin’izao , fa raha tsy mihaino ny tompon’andraikitra dia hiakatra ho mafimafy ny hetsika ataonay hoy ireo mpianatra ho mpitsabo.