Depiote Fetra Ralambozafimbololona – Tsy nahomby ny fampiasana CVO

Ny Valosoa

Tsaroina ny dokambarotra nataon’ny filoha sy ny filazàny, fa hitodika aty ny mason’izao tontolo izao, ary hisandratra ny toe-karena Malagasy sy ny vokatra vokariny. Nandefasana CVO maimaimpoana (hono) ireo firenena afrikana toa an’i Tchad, Sénégal, Bénin,… Raha nahasitrana marina, nahoana no tsy misy nanafatra indray izy ireo, fa nisy aza firenena nilaza, fa any amin’ny fako no mety aminy, hoy ny depiote ao amin’ny depiote ao amin’ny Boriboritany faha-5, Fetra Ralambozafimbololona.

Teto an-toerana, vao tsy ela no nisy olon-tsotra nanatona nitondra fitarainana, nijoro ho vavolombelona mahakasika io CVO io. Ka nilaza izy, fa arakaraka ny nandraisana io CVO io no nitondrany takaitra, ary nisy ny tonga hatramin’ny fahafatesana.

Mazava ny teny nataon’ny sendikan’ny mpitsabo, fa tsy mbola misy ny porofo mazava, fa mitondra singa mahasitrana marina ny CVO hoy ny depiote Fetra avy amin’ny antoko TIM, fa ny mifanohitra amin’izay àry no zava-miseho, ka mitondra takaitra ho an’izay tsy mahalala, fa mety ao anatin’izany aretin’ny voa izany, ka ny fisotroana ilay CVO no namoha izany, ary nitarika fahafatesana.

Maro ny olona vonona hijoro momba ny takaitra napetraky ny CVO, ka tokony hatsahatra hoy izy. Tsy resaka tsy fitiavana vokatra Malagasy, fa zavatra kitoatoa, notapahana tao anaty tapa-bolana, tonga dia natao tanaty sase sy tavoahangy. Fa tsy nisy ny andrana. Misy ny aretina maromaro izay tsy nitranga raha tsy herinandro vitsivitsy taty aorian’ny nandraisana an’izany. Nolazaina fa fisorohana, dia maro no nisotro.

Araka izany dia takian’ny depiote Fetra Ralambozafimbololona ny hanaovana ny eny anivon’ny ministera fanadihadiana mikasika ny vokatsoa, na vokadratsy entin’ny CVO na CVO+, ary mba hisy ny fanadihadiana mikasika ireo olona voan’ny takaitra, izay vonona hijoro ho vavolombelona.