HO ANAREO RY BE GALONA

Ny fitaovam-piadiana no indro fa naderadera,
Raha nandray ny fitondrana ilay zalahy mpihoerahoera.
Dia ‘nareo ry be galona, tsy nanadihady akory
Hoe avy aiza anie ireny, f’efa voky dia natory?

Hay ny dikany dia hoe rah’ resy tamin’ny fifidianana,
Dia ny hampiasa herisetra no efa tena niomanana?
Soa fa ny olo-nifanandrina, tena nanam-pahendrena,
Ka nanaiky tsy an-tsafidy, ho tombontsoam-pirenena!

… Aiza ianao ry be galona no tsy manana hambara
Nefa miharatsy hatrany ny fizotran’ny tantara?
Aiza ilay mba velirano, moa ho “teny tsy tsaroana”,
Sa dia tena hikombom-bava f’ianareo ilay hoe “be moana”?

Dia hitohy ny fahanginana f’efa to ny faniriana?
Efa “nanateran-kena” ka tsy manana ahiana?
Dia tsy mahagaga loatra raha mitohy ny hadalana
Sy hagegena mahazatra ny mpitondra fanjakana!

Moa ireo manam-boninahitra, moa ireo no tena betsaka,
Sa ny matim-boninahitra, ireny no mifanaretsaka ?
Mampidera ny galonany, mampiseho fitiavantena,
Fa tsy miomana hijery ireo vahoaka mahonena ?

… Tsia, tsy izany velively no andrasana aminao,
Fa ny hiaro ireo vahoaka sy hitondra ainga vao.
Tsy omen-karaoty dia hangina toa soavaly anaty fahitra,
Fa mba tena olon-kendry, tena manamboninahitra!

Koa ianao ry be galona, aoka re ho arofanina,
F’aza dia minia mikimpy sy manjary sain-kanina.
Aza faly hiara-dalana amin’ireo mpisotasota
Sy ireo mihevitra azy ho “tsy mba maty na manota”!

TSIMIMALO (22-01-21)