« Miara-manonja » – Miteraka fihorohoroana manarapenitra ho an’ny fitondrana

Ny Valosoa

Ampahany vitsy amin’ny mpihaino radio sisa tsy mihaino ny ” Miaramanonja “, fa na toerampiasana, na taksibe, na toerampisakafoana, na fiaran’olontsotra sns dia samy mifantoka manontolo amin’ny “miaramanonja “, hatramin’ireo olon’ny fitondrana aza dia tsy maintsy mihaino tsy fidiny, ny any ivelan’i Madagasikara indray, izay mahatsiaro ny tenany ho malagasy dia samy manongilantsofina sy mifampizara vaovao.

Mpanao gazety matihanina sy mpanao politika vita fisedrana no miaramisalahy ao amin’ny fandaharana, vaovao azo antoka sy voamarina no tanisaina ao, ary fanadihadiana voalanjalanja no avoaka ao.

Marikoditra tanteraka ireo mpitondra, satria tsy manaiky ny fanapenambava intsony ireo mpiaramanonja, ny hamehana arapahasalamana rahateo efa nofoanana nanomboka tamin’ny 18 Oktobra 2020, misy ny feo mandeha fa kasain’ny fitondrana haverina indray hono ny hamehana ara-pahasalamana tsy hampisy ny “miaramanonja ” tsy mampihetsibolomaso ireo mpiaramanonja anefa izany satria, ny tsy azo atao mandritra ny hamehana dia ny fampidirana ny antso avy any amin’ny mpihaino, fa ny ” miaramanonja ” dia tsy misy fidirana mivantana, izany no natao dia isorohana ny fihantsiana izay mety hiteraka fihoarampefy.

Sahirantsaina tanteraka ny mpitondra ka ny vahaolana hamalian’izy ireo izay ambaran’ny « miaramanonja » dia ny mampiasa ireo mpanao ” kaonty fako ” izay valinteny tsy ofisialy,fa dia valibontana tsy mitombina, vao mainka aza mampidina ny lanjan’ny fitondrana izay efa latsaka ambany tanteraka.

Ny ” miaramanonja ” anie raha miteny izy hoe: tsy voafehy ny vidimbary, na tsy lavorary ny famatsiana rano sy herin’aratra, dia tsotra ny tadiaviny amin’ny mpitondra dia ny hoe: ampidino ny vidimbary, ary ataovy araka ny tokony ho izy ny fahazoana rano fisotro madio sy herin’aratra iasan’ny olona, fa tsy izany no ataon’ny mpitondra fa mitady hanadio tena amin’izay fitaovantserasera sendra azy, tsy ao antsain’ny mpitondra mihitsy ny hamaha ny fototrolana sy mikaroka izay filan’ny vahoaka.

Raha raisina ohatra indray ny mikasika ilay volamena naondrana antsokosoko, dia fanazavana ny vaovao azo antoka sy fanadihadiana araka ny tokony ho izy no ataon’ny ” miaramanonja “, dia mibarareoka samy mitanisa izay hitsin’ny vavany ireo mahatsiaro ho tompon’andraikitra, ny mahatsikaiky dia mifanipaka tahaka ny atsimo sy avaratra ny valintenin’izy rehetra, raha tsorina toa ohatrin’ny mifampiampanga indray aza no ilazana azy rehetra .

Efa tongotra mby andakana ny ” miaramanonja ” ka tsy afaka hihemotra intsony, ary vao mainka aza mahita ho lazaina ireo mpiaramanonja, ireo vahoaka izay mihaino koa lasa mahay politika ho azy ary azo antoka fa vonona ny hiarahanonja amin’ny fotoana ivoahan’ny sioka tokana, f’ireo mpitondra no torankovitra sy tratran’ny fihorohoroana manarapenitra satria toa efa manakaiky ny fipoahan’ny sarombilany.