Mbola tsy hita ny 4F ny FFKM – Toa mitsikombakomba amin’ny fitondrana izy ireo

Ny Valosoa

Ny taona 2020 no feno efapolo taona ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny « FFKM » satria ny taona 1980 no nifanaraka ireo fiangonana 4 lehibe indrindra dia ny EEM, EKAR, FJKM, FLM fa hivondrona hampivavaka ny malagasy ao anatin’ny fanajana ny finoan’ny tsirairay, ary tsy nijanona amin’ny fampiraisana sy ny fitaomana ny mpiray firenena fotsiny hibebaka fa tonga hatramin’ny fahasahiana mijoro hilaza ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena.

Ny tantara dia manaporofo ny fandraisan’andraikitrin’ny FFKM tamin’ny taona 1991 sy 2002, saingy azo lazaina ho nandamoka ny FFKM tamin’ny taona 2009, taona vitsivitsy taorian’izany anefa dia nijoro indray ireo ray amandreny FFKM ary nanao ho filamatra ny 4F (Fibebahana, Fiainkenkeloka, Fahamarinana, Fihavanana), samy mavesadanja avokoa ireo teny efatra ireo, ary azo inoana fa ampy hanarenana an’i Madagasikara raha ampiharina araka ny tokony ho izy, saingy indrisy fa tsy izany no miseho fa toa fahanginana no asetrin’ireo ray amandreny FFKM ireo antsoantso avy amin’ny vahoaka difotrin’ny fahantrana sy valakin’ny tsy fahandriampahalemana ary ianjadian’ny zaramiangatra.

Nanomboka tamin’ny taona 2020 dia tsy nisy intsony ny fifampiarahabana noho ny taombaovao izay tokony tarihan’ny filohan’ny repoblika, kanefa tsy nahasakana ireo ray amandreny FFKM tsy ho tonga teny andapa izany niarahaba an’Ingahy Filoha izany, tamin’ity taona 2021 ity koa dia mbola teny izy ireo ny Zoma 8 Janoary 2021, voaray soamantsara ary nahazo ny tsodrano sahaza azy Ingahy filoha, marihana fa tamin’io 8 Janoary 2021 io dia efa nivoaka ny resaka fanondranana antsokosoko volamena milanja 73 kg mahery tatsy Afrika Atsimo, hatramin’izao isika miteny izao anefa dia tsy nandrenesampeo ireo ray amandreny FFKM, mikasika ny fanadihadiana nataon’ireo loholona teo aloha izay azo lazaina hoe fihetsika mifanaraka amin’ny 4F dia andrasana izay lazain’ireo ray amandrenimpiangonana, ary entanina ireo loholona hanao antondraharaha mihitsy ny fanomezana ireo antontakevitra momba ny fanadihadiana ho an’ireo ray amandreny FFKM, fa tena ilaina izany satria sady manome lanja ny fahamarinana sy manamafy ny fihavanana ary indrindra azo inoana fa hitondra ambavaka ireo ray amandreny lolohavina antampon’ny loha ireo.

Sembandrahona ny fankalazana ny fahefapolo taonan’ny FFKM tamin’ny taondasa noho ny fahalasanan’ny Filohan’ny FLM izay sady Filohan’ny FFKM tamin’ny taondasa, teo koa ny aretina koronaviriosy izay tsy nahafahanihetsika firy, efa nampanantena anefa ireo ray amandreny FFKM fa hitohy amin’ity taona ity ny fankalazana, koa mino sy manantena amimpitiavana ireo mpino kristiana malagasy rehetra fa hiroso lalina amin’ny fampiharana ny 4F ireo ray amandreny FFKM, izany rahateo no tokony ho tsangambato sahaza ny fahaefapolo taona, mba ahatonga ny vahoaka malagasy ihany koa, tsy alaimpanahy hiheritreritra hoe nahazo be tany amin’Ingahy Filoha izy efa-dahy ka minia tsy miteny, fa ahiahy ihany izany, ny azo inoana dia hijoro amin’ny mahaolomboahosotra azy ireo ray amandreny mendri-kaja tsy voavidy vola ireo.