EDITO 23 Janoary – Manakona ireo mpanao asa soa ny fitondrana

Sôh’son

Hafahafa ny fihetsik’ity fitondrana ankehitriny ity. Efa tsikaritra izany, tamin’ny fotoana nisian’ny tondra-dranobe tamin’ny faritra samihafa teto amin’ny firenena tamin’ny taon-dasa. Nisarika ny sain’ny maro anefa ny fitohizan’izany ankehitriny ao anatin’izao main-tany izao any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy isian’ny mponina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere.

Niaraha-nahalala, fa ankoatra ny vitan’ny fitondrana dia maro amin’ireo olom-pirenena ao anaty fikambanana samihafa no tsy mijery fotsiny fa mitondra anjara birikiny ihany koa amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana. Dia namoaka feo ny fitondrana fa tsy maintsy mankao aminy aloha ny fanampiana arty izy no mitsinjara azy avy eo. Niaraha-nahita ny fisakanana ilay mpanao politika iray tany Ambatondrazaka tamin’ny fotoan’androny. Nisy koa anefa izany toe-javatra izany vao tsy ela izay.

Tsy mampaninona loatra, izay fomba fiasa izay amin’ny lafiny iray, ndeha tsy asiana resaka, fa ny tena manahirana ny sain’ny mpandinika, dia ilay fihetsika sy fiteny amin’ny fotoana hizarana ny fanampiana amin’ny vahoaka. Voamarika, fa tsy re mitanisa ireo mpanao asa soa ny mpitondra. Ary ny re matetika, dia toy ny avy amin’ny fitondrana ihany na avy amin’ny Filohan’ny Repoblika irery ihany no nanolotra ilay fanampiana ho an’ny vahoaka mila vonjy. Toy ny izy ireo ihany no tena mahay manampy ny mpiray tanindrazana sy tena manao asa fitsinjovana vahoaka ao anatin’izany, ary izany no tiana ampitaina sy ampidirina ao an-tsain’ireo vahoaka anaovana izany.

Inona ny olan’ny fitondrana amin’ny fifanomezan-tanann’ny samy Malagasy? Lafiratsiny aza no mety ho fiantraikan’izany, satria amin’ny soatoavina Malagasy sy ny tena Malagasy dia mahatsara fihavanana ny fifanampiana, ny fifanomezan-tanana, mitondra zavatra tsara ho amin’ny firaisan-kina, sns. Ny fanasiana elanelana toy ny ataon’ny fitondrana resahina eto, dia manamaivana izany soatoavina sy maha Malagasy ny Malagasy izany. Ny mifanohitra amin’izany anefa no irina sy tena katsahina, dia ny iverenan’ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy sy ny fampiorenana indray ny firaisan-kina.

Nisy fomba fiasa anefa nataon’ny fitondrana, anisany ny tao anaty krizy ara-pahasalamana sy ny fahasahiranam-bahoaka lalina ireny, vao mainka nampitriatra ilay lambam-pihavanana sy firaisankinan’ny samy vahoaka. Mazava loatra fa miendrika kobaka am-bava, sy miteniteny fotsiny ihany ny mpitondra amin’io resaka fihavanana io.

Izao mampiaka-peo ny mpikambana eo anivon’ny Fedep amin’ny tsy fisian’ny fanapahan-kevitra ataon’ny fitondrana momba azy ireo, izay marika ny fampihavanana eto amin’ny firenena. Tranga iray izao toe-javatra izao manampy trotraka amin’ny fihombon’ny tsy fifampitokisana sy ny hantsana manasaraka ny vahoaka sy ny fitondrana.