Depiote Todisoa Andriamapandry – Mitrosona amin’ny tany ny Malagasy

Helisoa

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny tokatrano Malagasy ankehitriny noho ny zavamisy eto amin’ny firenena hoy ny depiote Todisoa Randriamapandry voafidy tao amin’ny boriborintany faha 6 avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara.

Tena mitrosona amin’ny tany mihintsy hoy izy ny fiainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeany raha naneho hevitra tao amin’ny Miaramanonja ny tenany noho ny tsy fijeren’ny fanjakàna ny tena mahasoa ny vahoaka. Mafy ny fiainana tamin’ny fitondrana Didier Ratsiraka, fa amin’izao fitondràna Rajoelina izao dia efa mampiteny ny moana mihintsy. Io no mampiteraka ny krizy ara-tsosialy, ara-pahasalamana, ara-politika eto Madagasikara.

Raha ho an’ny fahasalamana manokana dia miakatra ankehitriny ny voan’ny valan’aretina CORONAVIRUS izay efa miisa 300 no tratra izany, ary 6 no maty. Misy ny profesora mpitsabo sy mpampianatra dia manambara fa manasitrana ny CVO, ny fanafody anie mbola atao andrana aloha azo ampiasaina profesora e! mba tazony ihany ny maha anao anao (personnalité) fa aza mila ranondranony loatra. Milaza ianareo fa isika mahay mitantana ny aretina coronavirus, dia midehaka ery. Ny tsy fantatrareo dia firenena tanora ny Afrikana ka manana hery fiarovana, fa tsy mitovy ny any amin’ny tany mandroso izay ny 65 no salataonan’ny olona any dia mora andairan’ny valan’aretina, fa tsy manana hery fiarovana intsony. Mahay mitantana ianareo, nefa ny fanafody sy ny fitaovana eny amin’ny hopitaly sy ny CSB tsy misy. Ny resaka sosialy moa tsy tenenina intsony toy ny vidin’ny jiro sy rano , vidimbary sns ….

Ny lafiny fanabeazana izay tsy mandeha amin’izay laoniny. Eo amin’ny lafiny politika dia miseho lany ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny samy mpitondra hoy ny depiote Todisoa.

Mitaraina ny depiote IRD fa ataon’ny olomboatendry Ragaova mahamay dia tsy sahy mamaly. Mijoroa ianareo fa izay no asanareo namana solombavambahoaka e!

Raha akapoka ny fitenenana dia tsy misy antenaina amin’ity fitondrana ity fa ny miala no mety aminy , indrindra ireo minisitera izay tsy mamokatra toy ny minisitry ny angovo, varotra, rano sns…., ny serasera izay tsy mahay afatsy ohatra ny olona miady antsena ireny .