Tatitry ny Antenimierandoholona – Tsy tokony ho filoha mihitsy i Andry Rajoelina

Helisoa

Tsy tokony ho filoha mihitsy i Andry Rajoelina, izay no azo amehezana ny tatitry ny vaomiera nanao fanadihadiana tao amin’ny Antenimierandoholona ary nampahafantarina omaly, tetsy Anosikely.

Vita omaly maraina ny tatitra nataon’ireo Vaomiera 4 ao amin’ny Antenimierandoholona, ao anatin’ilay Vaomiera mpanadihady ao anatin’ity andrimpanjakana ity, na commission d’enquête parlementaire. Tao anatin’izany ny commission d’enquête sur la gestion du COVID, na ny vaomiera mpanadihady ny fandaniana natao tamin’ny valan’aretina CORONAVIRUS teto Madagasikara. Faharoa, Commission d’enquête sur la liste électorale, na ny vaomiera mpanadihady mikasika ny lisi-pifidianana. Fahatelo, Commission d’enquête sur l’importation illicite d’armes de guerre, na vaomiera mpanadihady mikasika ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika teto amin’ny firenena ary farany Commission d’enquête sur l’évasion dans le milieu carcéral à Farafangana du 23 août 2020, na ny vaomiera mpanadihady mikasika ny vonoan’olona tany amin’ny fonjan’i Farafangana.

Natao izao fanadihadiana izao hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier, tsy natao hanenjehana olona, fa ilaina kosa hoy izy ny fanadihadiana, mba hisian’ny mangarahara eto amin’ny firenena. Raha ho an’ny kaomisiona mikasika ny fandaniambola tamin’ny valanaretina CORONAVIRUS dia 600 tapitrisa dolara Amerikana hoy ny filohan’ny vaomiera no vola noeritreretina ho azo avy amin’ny mpiara-miombon’antoka PTF, hiatrehana ny valanaretina; ka nankinina tamin’ny CCO ny ady natrehina tamin’izany.

Eto dia mipetraka ny fanontaniana amin’ireo minisitra maro toy ny minisitry ny fahasalamambahoaka, atitany, serasera, mponina, rano, ny ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra, Toamasina, sns … sy izay nandray an-tanana ny vola tamin’izany. Ny mampalahelo hoy ny vaomiera dia tsy nisy namaly ny fiantsoana azy ireo, ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisitera ireo. Ny tompon’andraikitra voalohany aza milaza tsy mahafantatra izay vola ampiasaina tamin’ny COVID 19 akory. Isaorana kosa hoy ny mpandahateny ny minisitry ny fahasalamana teo aloha Ahmad, fa izy no hany tokana namaly ny vaomiera mpanadihady.

Ho an’ny vaomiera mikasika ny resaka fanadihadiana mikasika ny lisi-pifidianana dia nohenoina sy nojerena tao amin’ny lapan’Anosikely ny porofo sy ny horonantsary mikasika ny resaka fisian’ny doublon tamin’ny resaka karapanondrompirenena, CIN, sy ny kara-pifidianana izay noresahan’ny CENI, sy ny tale jeneralin’ny tranom-printim-pirenena (imprimerie nationale) ary nisy koa ny tatitra navoakan’ny OIF nanamarina izany. Niampy hatramin’ny 1 tapitrisa mahery noho io « doublons » io ny vaton’ny kandidà Rajoelina tamin’iny fifidianana iny araka ny tatitra, noho izany tsy tokony ho lany filoha mihitsy ny tenany. Ankoatra izany, marobe ny zavatra tsy nanjary tamin’ireny fifidianana ireny, voalohany tamin’izany ny fampitahorana tamin’ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika mialohan’ny fifidianana, sy ny fanaovana hosoka sy hala-bato.

Ho an’ny vaomiera mikasika ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika teto amin’ny firenena indray dia nanamafy ity vaomiera ity, fa tsy ara-dalàna ny nampidirana ireo fitaovam-piadiana ireo teto amin’ny firenena. Vao hanao fianianana teny Mahamasina ny filoha Rajoelina ny 19 janoary 2019 dia narangarangany ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Nanambara izy tamin’izany fa asa fa tsy kabary ny antsika, ka asehontsika eto hoy izy ny fiara manara-penitra afaka miakatra tendrombohitra tsy laitram-bala. Io resaka nataon’ny filoha io voarakitra ao anaty horonantsary. Nantsoina ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena, fa dia tsy namaly ny vaomiera mpanao fanadihadiana izy ireo. Ny tompon’andraikitra teo aloha no tonga namaly ny antso. Voamarina tamin’izany, fa nisy ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy ara-dalàna teto Madagasikara. Ny manamboninahitra aza talanjona rehefa nahita ireo fitaovam-piadiana ireo teny Mahamasina.

Farany, ho an’ny vaomiera mpanadihady mikasika ny famonoana olona tany amin’ny fonjan’i Farafangana. Isaorana ny minisiteran’ny fitsarana hoy ny vaomiera, fa tonga tamin’ny fiantsoana nataon’ny vaomiera mpanadihady izy ireo. Io dia tena mampalahelo, fa tsy misy vidiny ny ràn’olombelona. Marihina fa 23 ny maty tamin’io andron’ny 23 aogositra io ary 18 no naratra tamin’izany.

Tsy natao hanenjehana olona manokana hoy ny vaomiera mpanadihady ao amin’ny Antenimierandoholona ny nanaovana izao fanadihadiana izao araka ny fanamarihana nataon’ ireo loholona, fa natao kosa mba hisian’ny mangarahara sy fifampitokisana eto amin’ny firenena. Izahay kosa anefa dia manameloka ireo minisitera sy tompon’andraikitra nantsoina tamin’ny fanadihadiana tsy namaly ny antso. Manameloka ny fanitsakitsahana ny lalàna velona sy ny lalampanorenana eto amin’ny firenena. Eto kosa dia miangavy ny fitsaràna mahefa hanokatra fanadihadiana mikasika ireo tatitra nataon’ny vaomiera mpanao fanadihadiana izy ireo.

Vita izy izay, ny fe-potoana iasana koa ity ho tapitra, koa hanao toy ny minisitra tompon’andraikitra nantsoina tsy namaly antso ve ireo senatera vaovao ireo, sa hatao ohatra ny tsy misy ny fanadihadiana nataon’ireo senatera teo aloha, ka atao any anaty vata na dorana tsy ho hita intsony? Efa natolotra ny ambaratongan-drafitra eto amin’ny firenena ireo tatitra ireo, araka ny fanambarana nataon’ny Loholona Rakotovazaha Olivier dia izao nampahafantarina ny be sy ny maro izao.