Rovan’Alasora – Hiaro ny vakoka hatrany ny kaominina

Ny ben’ny tanànan’Alasora, Jimmy Randriantsoa

Isambilo

Tsy marina ny filazana fa ho ravana ny Rovan’Alasora, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, hoy ny ben’ny tanànan’ity kaominina ity, Jimmy Randriantsoa. Hiaro hatrany izany vakoka izany ny fiadidiana ny tanàna hoy izy, ka tsy hisy izany fandravana ity Rova ao Ambohitrandriananahary ity, ny hanatsarana azy aza no hatao.

Araka ny nambaran’ny tompon’ny tany manakaiky ity Rova ity, tsy tafiditra velively ao anatin’ny tanin’izy ireo izany vakoka izany, noho izany tsy ho voakitika, na hisy tetikasa aza hatao manakaiky izany Rova izany.

Na izany aza aza, nanambara ny ben’ny tanànan’Alasora, fa hidina ifotony hijery ny tena zava-misy momba ity resaka olana tany ity ny kaominina, miaraka amin’ireo mpandrefy tany, sy ny sampan-draharahan’ny fananantany ary ireo tompon’andraikitra samihafa ao amin’iny distrikan’Antananarivo Avaradrano iny, hanamarina ny tena zava-misy momba ity Rovan’Ambohitrandriananahary ity sy ny manodidina azy.