Imerinkasinina – Mpino kristiana 5000 mahery nomen-dRavalo sakafo

Rajo

Nandritry ny fanokafana ny jôbily fisotroan-drononon’ny prezidà synodaly Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina Rabenantoanina Philibert ny sabotsy lasa teo, dia mpino kristianina 5000 mahery no tonga niombom-bavaka teny an-toerana. Sady fivoriana santatra eo anivon’ny synodamparitany rahateo moa io andro io. Ny filoha mpanampy ny synodamparitany Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa, no nitarika ny fotoana, raha ny tonian’ny departemantan’ny fiangonana, ny mpitandrina Rakotondrainy Jaona kosa no nitondra ny hafatr’ Andriamanitra,izay nalaina tao amin’ny II Kor 5: 14 a manao hoe: “Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay”.

Noarahabaina sy noraisin-tànana ireo biraon’ny mpiandraikitra foibe Fjkm teo aloha sy ny vaovao, teo ihany koa ireo mpiandraikitra foibe teo aloha sy ny vaovao. Noarahabaina sy noraisin-tànana ihany koa ny prezidà synodaly Antananarivo Atsinanana mianakavy, niaraka tamin’ny filohan’ny Fifampi sy ny Fifafi ary ny mpandraharaha ihany koa. Mpitandrina 19, mpampianatra 12 ary katekista delege 8 ihany koa no noraisin-tànana ny sabotsy teo. Hipoka tanteraka ny Fjkm Imerinkasinina Fanasina hatreny an-tokotany ary fandraisana ny fanasan’ny Tompo no namaranana ny fotoana.

Fa taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nasain’ny filoha Marc Ravalomanana hisakafo ireo mpino kristianina maherin’ny 5000 tao amin’ny trano vaovao teny Imerinkasinina. Omby telo no novonoina tamin’izany ary samy nahazo ny anjarany ny tsirairay. Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana, fa mbola hisy ny fotoana manaraka hihaonana aoriana kely.