Soleil Marmailles La Réunion – Nanampy fandidiana zazalahikely, miantoka sakafona terabao sy ny zanany mandritra ny 6 volana

Aly

Mitohy hatrany ny asa sosialy ataon’ny fikambanana Soleil Marmailles avy atsy amin’ny Nosy La Réunion, izay tarihan’ny dokotera Sylvie sy Tiana Razafintsalama, aty Madagasikara.

Ny sabotsy teo, nanampy tamin’ny fandidiana zazalahikely iray voan’ny hernie ity fikambanana ity ary nanampy ihany koa tamin’ny fanaovana hasoavana izany tovolahikely izany. Ny fikambanana no niantoka manontolo ny saran’ny fandidiana natao ity ankizy kely ity tao amin’ny toeram-pitsaboana : clinique tsy miankina iray teny Ambohidroa Ambohimnarina, Boriboritany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra.

Ny andron’io ihany, nanolotra fanomezana ho ana reny terabao teny Andavamamba koa ny fikambanana, ity fikambanana Soleil Marmailles ity no hiantoka ny sakafon’ilay terabao sy ny zanany mandritra ny 6 volana.

Misandrahaka amin’ny lafiny maro ny asa sosialy ataon’ny fikambanana, ankoatra ireo voalaza teo, manorina trano fitsaboana sy sekoly koa ny fikambanana Soleil Marmailles, namatsy rano fisotro madio ny mponina kere any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, manampy ankizy zanaky ny sahirana ara-pivelomana amin’ny fianarany,…