Feon’ny mpitondra momba ny volamena – Halefa anio, satria ananan’ny Miara-manonja

Isambilo

Miha-mafana hatrany ny toe-draharam-pirenena eto amintsika amin’izao fotoana, miha-mivoaka hatrany ihany koa ny marina mahakasika raharaha maromaro nafempenina teto amin’ny firenena hatramin’izay. Mamotsipotsitra izany amin’izao fotoana ny fandaharana Miara-manonja, izay mandeha amin’ny onjampeo tsy miankina maromaro.

Araka ny nambaran’ny depiote, mpanao gazety, Fidèle Razara Pierre nandritra izany, anananay hoy izy ny feonareo mpitondra mahakasika ny resaka volamena naondrana antsokosoko, ka tratra tatsy Afrika Atsimo. Halefa amin’ny fandaharana izany anio hoy izy. Inona no voarakitr’izany feo izany, inona no tsiambaratelo hivoaka ao anatiny? Anio isika haheno izany, samy hangilan-tsofina, hihaino ny Miara-manonja. Mihaino ity fandaharana ity avokoa amin’izao fotoany ny maro, indrindra fa ny mpitondra, izany dia mba hahafahany mamaly izay voalaza, ka dia handre tokoa izy ireo amin’ity androany ity.

Isan’andro, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, tsiahiviny ihany, manomboka amin’ny 9h30 maraina ka hatramin’ny 11h30 ity fandaharana Miara-manonja ity, hiresahana mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, tsy misy ankinafinafina ao, fa abaribary avokoa izay rehetra tsy mety ataon’izao fitondrana Rajoelina izao. Tsy tompon-trano mihono intsony ny vahoaka Malagasy, izy tena tompon’ny fahefana mandritra izany.