RMDM – Manomana hetsika lehibe ato ho ato

Niaina

Manomana hetsika lehibe ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara ato ho ato, izay tsy ho ela, eto Antananarivo Renivohitra. Ho fanomanana izany, nisy ny fivoriana natao tao Bel’Air Ampandrana afak’omaly, notarihan’ireo filoha lefitra ao amin’ity vondron’antoko dia nahitana ny filoha lefitra amin’ny Faritanin’Antananarivo Alain Andriamiseza, ny filoha lefitra amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa Tabera Randriamanantsoa, ny filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Toliara Pasitera Edouard Tsarahame, ny filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Mahajanga Andriamatoa Régis. Niatrika izany koa ny filoha nasionalin’ny RMDM, ny Filoha Marc Ravalomanana.

Izao fivoriana izao dia nandraisan’ireo mpitarika isan-tokony anjara. Natao tamin’izany ny firesahana ny vaovao mahakasika ny raharaham-pirenena, ny manodidina ny raharaha volamena lasa any Afrika Atsimo, ny valan’aretina covid 19 ary ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka. Nanome toromarika ireo mpikambana RMDM eny anivon’ny fokontany ihany koa nandritra izany ny filoha Marc Ravalomanna. Mahakasika ny raharaha volamena tratra tany Afrika Atsimo, tsy misy idiran’ny mpanohitra izany hoy izy, ary ny fitsarana any dia tsy mitovy amin’ny aty, ka tsy maintsy hivoaka ny marina any. Mahakasika ny valanaretina coronavirus, tsy voafehin’ny fitondrana izany matoa mbola mirongatra ny covid19 eto amintsika amin’izao fotoana.