Raharaha volamena 73,7 kg – Tsy ho azo amin’ny tsikombakomba ny iraisampirenena

Ny Valosoa

Amin’ny 01 Febroary 2021 no hiakatra fitsarana ny raharaha fanondranana antsokosoko volamena milanja 73 kg mahery, tratra tany Afrika Atsimo, ary any antoerana no ho tanterahina ny fitsarana ireo telolahy teratany malagasy voalaza fa nitondra ireo volamena ireo, satria tsy neken’ny fitsarana any Afrika Atsimo ilay fangatahana ny « extradition », izay nataon’ny fitsarana malagasy, fa dia ho tsaraina amin’izay lalàna misy any an-toerana ireo mpiray firenena amintsika tratra any ireo.

Tsy raharahantsika malagasy sy Afrika Atsimo irery intsony iny fanondranana antsokosoko iny, fa tonga dia nampihetsika an’izao tontolo izao, satria samy nandray ny andraikiny avokoa ny Interpol, ny Cia Amerikana, ry zareo Frantsay, ny Japoney, satria mazava ny antony, ny fanondranana antsokosoko dia manimba ny tsena iraisampirenena, izay efa misy lamina napetraka sy nifanarahana amin’ny fifanakalozana eo amin’ny firenena vonona hihary amin’ny ara-dalàna.

Ny fitondrana dia nandefa mpahay lalàna tany Afrika Atsimo, nandaniana volabe satria fiaramanidina manokana no nofaina nitondra azy ireo, raha ny vaovao azo anefa dia tsy nahomby ny dian’ireto nosandaina volabe ireto, Ingahy Minisitra miadidy ny Fitsarana dia nanambara, fa mbola mitohy hono ny fifampiresahana.

Ny ankabeazan’ny vahoaka malagasy dia efa leon’ny gaboraraka ary tsy mahatoky intsony ny fitsarana eto Madagasikara, noho izany dia tsy marisika amin’izany resaka « extradition » izany , satria ho faty momoka io raharaha io raha vao eto amintsika no atao ny fitsarana.
Miandrandra ny fandraisan’andraikitrin’ny avy any ivelany ny malagasy, satria efa azo an-tsaina fa tsy handaitra amin’ireo any amin’ny sehatra iraisampirenena ny tsikombakomba sy ny famonoana afo ataon’ny fitondrana.

Betsaka ny azo anamarinana ny fijoroana sy ny fahasahian’ireo tompon’andraikitra any ivelany.
– Ny « Interpol », arak’izany anarany izany dia polisy iraisampirenena, vonona hikaroka hatramin’ny farany ny tena rangory fototry ny afo, ary azo antoka fa ho tonga aty amintsika ny « Interpol » hanao ny fanadihadiana ifotony, fa sanatria tsy toy ireny polisy matin-kaninkely ireny, azo tampenam-bava amin’izay voatsirambin’ny tanana.
– Ny « CIA na Central Intelligence Agency », sampam-pitsikilovana amerikana indray dia manana ny fahaiza-manaony amin’ny fikarohana ny miafina rehetra, ny anarany rahateo efa misy hoe « intelligence », tsy ho dondrona mihitsy ny olona ampiasainy, ho tonga aty amintsika, koa ny olon’izy ireo hanadihady akaiky, hanamafy ny fikarohana izay inoana fa efa nataony tamin’ny fitaovana avo lenta, io « CIA » io dia sampam-pitsikilovana any Etazonia tsy miankina amin’izay antoko mitondra any. Eny fa na dia anisan’ireo niarahaba voalohany ny Filoha Amerikana vaovao Joe Biden aza Ingahy Filoha malagasy Andry Rajoelina dia tsy misakana ny « CIA » amin’ny fanaovana ny asany izany, ny teny filamatra fampiasan’ny amerikana rahateo amin’ny fianianana ataon’ny Filohampirenena, toy ny amin’ny alarobia 20 Janoary 2021 izao dia mivaky hoe : « In God we trust », izay adika amin’ny teny malagasy hoe « ny herin’Andriamanitra no itokianay », ny dikan’izany tsy ho azo rebirebena mihitsy amin’ny fikarohana ny marina ny « CIA » .
– Ry zareo frantsay indray na dia fantatra aza fa be dia be ny dian-tanany tamin’ny nahatonga an’Ingahy Filoha teo amin’ny toerany dia ho sarotra ho azy ny hidi-bingo hiaro ny efa ratsy, sady efa mazava koa anie f’Ingahy Sarkozy izay nanampy an’Ingahy Filoha tamin’ny fanonganam-panjakana sy tamin’ny fifidianana tamin’ny 2018 ary tonga teto amintsika mihitsy ny vatatenany tamin’ny Sabotsy 19 Janoary 2019 nanatrika ny fametrahana ny filoha ankehitriny teo Mahamasina, dia efa fantatra ny manjo azy any Frantsa amin’izao fotoana.
-Ny Japoney indray dia azo antoka ny fahasahiany mijoro satria tsy voafatopatotra amin’ny resaka politika , fa ny fantatr’izy ireo dia tsotra ihany dia ny fampiharana ny fahamarinana eo amin’ny lafiny fihariana sy fifanakalozana, aoka tsy ho hadinoina fa mandray anjara be dia be amin’ny famatsiana ny « BAD na Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana » ry zareo japoney, ka mankahala ny kolikoly indrindra f’izay miseho aty Afrika .
– Mikasika ny mpitondra any Afrika Atsimo dia tsy mampino ny ho voarebirebin’ny mpitondra malagasy, satria manana ny mampiavaka azy manokana ry zareo, noho izy firenena goavana indrindra aty amin’ny kaontinanta afrikana, ary mahasahy mirehareha eo anatrehan’izao tontolo izao fa nahavita nandresy ny « Apartheid », teo ambany fitarihan’i Nelson Mandela, dia izy ireo indray ve no hivarolavo hanome lanja ny kolikoly ?

Ny azo amehezana azy dia azo antoka, fa tsy handeha lalana ny resaka mampandry adrisa ataon’ny fitondrana any amin’ireo firenen-dehibe, izay efa mahalala fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny fanampiana tamin’ny fiatrehana ny koronaviriosy, ka dia samy hahita ny tohiny isika satria “misy raha la terre “.