RY RAKOTO TELO LAHY

Misy fetra ka hanainga ry Rakoto telo lahy,
Izay nanan-daza teny Ivandry, Anosikely, Ambohidahy.
Hipaika ny ora sy fotoana, (tsy hay raha mbola hohalavaina),
Ka hangorona entana izy, dia handinika, hisaina!

Asa izay mba eritreriny, asa izay ho fiheverany,
Noho ny andraikitra tsy vitany, ary koa ny tsy tanterany,
Fa amin’ny farany toy izao dia be dia be ny fanakianana,
Indrindra tamin’ny nitantanana ireo karazam-pifidianana.

Fa Rakoto no voatonona tamin’ny lisitra vorosoka,
Sy nampisy fifidianana tsy madio sy feno hosoka.
Ary dia Rakoto koa no ilay mpitsara vangavanga,
Izay namoaka didy jadona handresen-dry lavasanga!

…Raha tsiahivina ny omaly, raha fohazina ny lasana.
Tsy araka ny vavabeny tao an’efitra fiandrasana,
Fa raha vao nahazo seza dia nangina ity “mpitrena”.
Tratr’ilay hoe “matoria” f’aleo re “anateran-kena”!

Mbola ry Rakoto koa ilay te hanavotra ny anarany,
Ka dia niezaka ny hiova, saingy tamin’ny ora farany!
Eny, tratra aoriana loatra vao nivimbina fanala,
Saingy atao ahoana moa fa ny tsy miova re no adala!

… Ry Rakoto, ry Rakoto, na ny handeha na ny hiverina.
Na ho “vao” na “soa” na “manana” dia izao no tiana anterina:
Saino izay atao rehetra fa ny alina ho tamy,
Dia ianaro ny tantely: maty mba mamela mamy!

TSIMIMALO (14-01-21)