Fiainam-pirenena – Mandady mianavaratra ny kere eto Madagasikara

Andry Tsiavalona

Tsy azo lavina fa nisy foana ny kere tany Atsimon’ny Nosy hatramin’izay. Ny tamin’ny taona 1993 no tsara ampahatsiahivina momba izany. Teo Antaninarenina no nisy ny foiben’ny Televiziona Malagasy (TVM) izay nanaovan’ny fitondrana foibe tamin’izany ny antso nentina nanampiana ny tany an-toerana. Ahatsiarovana ilay fitenenana malaza nataon’i Daniel Ramaromisa hoe: “vous êtes formidables” ho an’ireo nirodododo nanolotra fanampiana ho an’ireo tratry ny kere tany Atsimo.

Araka izany dia na nisy aza ny fiverimberenan’ity loza ity teto dia tsy mbola nisy tranga toy izay misy amin’izao fotoana. An-jatony maro ny mponina mifindra monina mamonjy ny renivohitra satria tsy misy hohanina, tsy misy rano. Ny zava-doza anefa dia tsy misy toerana hampitobiana ireo olona ireo ankoatry ny ao Mahamasina, Kianjan’ny Barea, na ny Kianjan’ny Maki eny Andohatapenaka angaha. Ny zava-misy koa anefa dia na ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina aza dia mijaly rano ihany koa ary iaraha-mahita ny filaharana “bidons jaunes” aman-jatony eny amin’ireo paompy fatsakan’ny mponina ireny. Vao omaly ny omaly no nitokona ny mponina teny Ambohipo ary nandoro kodiarana fiarakodia mihitsy nanehoany ny hatezerany. Araka ny fantatra aza dia ny any amin’ny manodidina ny renivohitra dia efa mividy rano iray “bonbone” dimanjato, ka hatramin’ny arivo ariary. Tsapa avy amin’izany ny fahorian’ny vahoaka tsy mandady harona satria ankoatry ny vidim-bary iray kapoaka mananika ny valonjato ariary dia io koa ny olana amin’ny rano.

Aty afovoan-tany koa izao dia maina ny tanimbary, hatrany amin’ny iaraha-mahalala ho sompitr’i Madagasikara, noho ny tsy fisian’ny orana miampy ny figaingainan’ny masoandro izay mamadika entona ny rano. Iaraha-mahalala ny mety ho vokatr’izany, fa mandady mianavaratra izany ny kere raha izao no mitohy.Tsy mampaninona ny mpitondra izany satria na tapaka aza ny rano any an-tokatranony any dia manam-bola hividianana rano amin’ny tavoahangy plastika eny amin’ny tsena lehibe izy ireo.

Ankoatr’ireo grevy etsy sy eroa dia anisan’ny fiainana ara-tsosialy tena mamaivay tokoa ireo amin’izao fotoana izao ary mampitombo ny fahadisoam-panantenanan’ny vahoaka manoloana ny fanaraham-penitra tanisain’ny mpitondra. Mananontanona ihany koa ny fiverenan’ny fahavalo tsy hita maso dia ny covid-19, izay tsy fantatra na amin’ny endriny vaovao na ny teo aloha ihany. Mampiseho hery ny mpitondra, ka manafay ireo izay tsy manaraka ny fepetra iarovana amin’ny aretina kanefa izy ireo ihany no nampiseho tsy fanarahan-dalàna, ka namory olona amin’arivony sady tsy nanao arovava sy orona. Ambonin’izany dia efa nankalazaina fa resy ny covid-19 ary tsy hisy izany onja faharoa (deuxième vague) izany eto. Ny tena loza dia asaina manadio tatatra fanarian’ny olona maloto izay tratra tsy manaraka ny fepetra. Andraikitry ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra izany, ka angamba, entina manarontsarona izany andraikiny tsy tontosan’izany ny mponina tondroina ho tsy manara-dalàna.

Fantatry ny mpitondra amin’ny maha politisiana azy, fa ny “politika” dia tetikady na tetikasa entina mampandroso, ka efa voarafitra tsara izany mialohan’ny hijabahana amin’ny fitantanana ny Firenena. Nilaza efa niomana hitantana ny Firenena nandritra ny dimy taona ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao kanefa dia iaraha-mahita sy mahatsapa, fa arakaraky ny tranga misy no hitadiavana vahaolana izay amin’ny ankapobeny dia mibirioka any amin’ny tsy tokony alehany, ka miteraka fahatezerana ho an’ny vahoaka. Tsy mampiseho tsy fahaiza-mitantana intsony izany, fa mampibaribary ny tsy fananana traikefa sy atidoha afaka mijery lavitra, ka mahita mialoha izay mety hitranga ary manolotra vahaolana mifanandrify. Malemy eo amin’ny lafiny rehetra izao fitondrana izao, ka manaotao foana kanefa ny haterak’izany dia ny fandavan’ny olompirenena izay toromarika heverina hifehezana azy (désobéissance civile).