RMDM Melaky – Raharaha volamena, henatra ho an’ny fitondrana Rajoelina

Niaina

Henatra ho an’ny fitondrana Rajoelina ny raharaha volamena tratra tany Afrika Atsimo iny, hoy ny avy amin’ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia any amin’ny faritra Melaky. Tsy mbola nisy firenena teto amin’izao tontolo izao hoy ny fanambarana, nivoahana volamena antsokosoko tao aminy ary tratra milanja 73,5 kg be izao.

Ankoatra izany, nanambara ny fitondrana fa tsy maintsy haverina eto an-tanindrazana ireo 3 lahy tratra tany Johannesburg mialohan’ny 12 janoary, tsy tanteraka anefa izany. Araka ny vaovao koa hoy izy ireo, nandefa AVOCAT na mpisolovava any mihintsy ny fanjakana, satria ahoana hoy ny fametraham-panontanian’ny RMDM Melaky. Nisy nilaza koa fa avy any Mali ireo volamena ireo, nefa ny fanjakana milaza hamerina izany volamena izany eto Madagasikara. Vaky balle izany ny eny Ivato hoy ihany ny fanambarana, ka ireo SERVICE, na sampan-draharaha maro miandraikitra eny tsy nandray ny andraikiny?

Mahakasika ny fandefasana mpisolovava : mpangalatra izany no arovan’ny fanjakana Malagasy, ka nandefasana avocat any mihintsy! Aza magnabarabara olona aba ra, hoy ny RMDM Melaky. Aleo andrasana ny tohiny, fa tseriky zahay, fa lehilahy 1 tratra naka volamena 1 g tsy nisy avocat nomena azy, nefa ity volamena halatra 73 kg tsy nisy nahita raha nivoaka teo Ivato. Looooooza!