Raharaha volamena 73,5 kg – Miaro mpangalatra ny fitondrana hoy ny “Miara-manonja”

Isambilo

Mitohy hatrany isan’andro manomboka amin’ny 9h30, ka hatramin’ny 11h30 amin’ny onjampeo miisa 4 ny fandaharana « Miara-manonja » dia amin’ny onjampeo MBS 95.4 Mhz; Radio Mada 100.8 Mhz; AZ Radio 101.8 Mhz, ary ny Soa Radio 96.8 Mhz.

Manomboka mivoaka avokoa ao anatin’izany ireo zavatra tsy mety ataon’ny fitondrana Rajoelina eto amin’ny firenena. Nambaran’ireo mpanentana nandritra izany, fa ny rehetra koa dia afaka hitondra ny vaovao hitany any rehetra any, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa avy amin’ny faritra manerana ny Nosy mihitsy.

Tsy hijanona ho fandaharana amin’ny onjampeo fotsiny ny « Miara-manonja », hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, fa hisy ny zavatra tsy maintsy hatao avy eo amin’ny zavatra tsy mety rehetra eto amin’ny firenena ary misy sy hisy porofo avokoa izy ireny. Ny vahoaka hoy izy no tompon’ny fahefana, ka ho afaka haneho hevitra amin’ity fandaharana ity avokoa ny sokajin’olona rehetra tsy misy hanavahana.

Mahakasika ny resaka raharaha volamena tratra tatsy Afrika Atsimo, toa miaro mpangalatra ny fitondrana eto Madagasikara hoy ity olomboafidy mpisolovava ity. Any amin’ny firenena toa ny atsy amin’ny firenen’i Mandela hoy izy, na tsy manana mpiaro aza ireo voarohirohy amin’ny raharaha any an-toerana, tsy maintsy omen’ny fitsarana any mpisolovava izy ireo. Noho izany, tsy misy tokony nandefasan’ny mpitondra teto amintsika ireo olona nalefa tany, volam-bahoaka very maina fotsiny ny nandefasana azy ireo tany, satria tonga dia nomen’ny Afrikana Tatsimo mpiaro izy 3 mirahalahy voasambotra. Raha ho fanindriana, na fikasana hividy mpitsara ihany koa no nandehanana tany hoy Me Hanitra, tsy ho azo tanterahana mihitsy izany satria manana ny maha-izy azy ny mpitsara any amin’ity firenena ity, ka tsy ho tratra ny resaka fanangolena amin’ny resaka kolikoly mihitsy.

Arak’izany, henatra ho an’ny mpitondra ny nandefasana iraka tany Johannesburg iny. Ambonin’izany, tsy tanteraka ihany koa ny nampanantenain’izy ireo fa tsy maintsy ho tafaverina talohan’ny 12 janoary teto Madagasikara ireo telolahy voasambotra. Fahafaham-baraka tsy misy toy izany,…