Antenimierandoholona – Maika tsy faingana ireo Loholona vaovao…

Ny Valosoa

Lany henatra tanteraka no azo ilazana ireo “ Loholona” voafidy farany teo sy ireo ho mpiara-miasa aminy , izay nandefa olona tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona omaly alarobia 13 Janoary 2021, niditra ankeriny tany amin’ny birao tsy nahazo alalana avy tamin’ny tomponandraikita , izay mbola amperin’asa satria tsy mbola nisy ny famindrampahefana ara-dalàna vita.

Teny feno fahendrena no nasetrin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao ireo maika tsy faingana ireo, kanefa azo antoka fa tsy hiditra amin’ny zanak’atidohan’ireo voairaka ny teny nataon’ny manampanahy, satria mety efa nahazo baiko hoe tsy maintsy amin’ny 13 Janoary ianareo no manomboka ny asa satria mbola mihevitra ny mpomba ny fitondrana, fa manambina azy ireo ny isa 13.

Iny zava-niseho tao Anosikely iny dia efa nahazoana an-tsaina fa hanjaka ny gaboraraka ao amin’io andrimpanjakana io, satria ny fifidianana nahalany ireo 12, 2 isam-paritany dia efa fifidianana tsy ara-dalàna fa natao amboletra noho ny fahatahorana ireo ho voafidy any amin’ny faritra sy ny faritany.

Dodona sy maika amin’ny fanesorana ireo loholona ao amin’ny birao ireto tampoin-tseza , na dia efa nanambara aza ny Filoha Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny filohan’ny repoblika, fa vonona ny hanao famindrampahefana amin’ny ara-dalàna.

Ny azo antoka dia matahotra mafy ireo raharaha efatra izay nanaovana fanadihadiana parlemantera ireto loholona vao hiditra , ka ny tena mahatorankovitra tanteraka azy ireo dia ilay raharaha “doublon”.

Hisy rahateo ny hetsika hanehoana firaisankina mikasika io resaka “doublon” io eo anoloan’ny Lapan’ Antenimierandoholona anio alakamisy 14 Janoary 2021 manomboka amin’ny 8 ora maraina, ho maro no hiatrika izany anio.

Mbola santatra ambava rano io hatao eny Anosikely io, fa ny manetsabe mbola ho avy, sady vahoaka mpanara-dalàna no ho tonga haneho hevitra am-pilaminana, fa sanatria tsy toy ireo mpanao amboletra izay toetra tsy mendrika ny loholona fa sahaza ireo mifanohitra amin’ny “lohany”.