Ho raisim-potsiny ireo trondro Fibata – Nidofotra ireo ira-panjakana tany Afrika Atsimo

Zava Herimanana Anjaranantenaina, Francis Deliot Regasy, ahamodo Mahavanona

Ny Valosoa

Afak’omaly talata 12 Janoary 2021 no voatondro hanaovana ny fitsarana ireo telolahy Malagasy, izay natao fitaovana nitondra ny volamena milanja 73 kg mahery , ny heloka nanenjehana azy telolahy ireo dia fampidirana entana antsokosoko sy fanondranana tsy ara-dalàna ary famotsiambola.

Nanapakevitra ny fitsarana tany Afrika Atsimo, fa ahemotra amin’ny alatsinainy 01 Febroary 2021 indray ny fitsarana azy telolahy tratra, tany amin’ny seranampiaramanidina Oliver Tambo tao Johannesburg.

Mazava ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana tany Afrika Atsimo, fanemorana no natao fa tsy fanekena ny “extradition”na fampodiana ireo teratany malagasy ho tsaraina aty Madagasikara, satria tsy misy ny fifanarahana ara-pitsarana eo amin’i Madagasikara sy Afrika Atsimo, fa dia ho tsaraina arak’izay lalàna misy any an-toerana izay tratra tany.

Vola very maina izany ny fandaniana nandefasana mpisolovava izay tsy maintsy nandoavana volabe sady izay indray niantohana fiaramanidina manokana na “jet privé”, izay tsy mazava ny loharanombola nampiasaina, volampanjakana ve? sa volan’ilay tompombolamena ? sa ny mpitondra ihany no tompon’entana ? Ny tsikaritra dia mpisolovava nalefa hiaro ny fitondrana ireo nandeha ireo, fa tsy hiaro an’izy telolahy voatana tany Afrika Atsimo, noho izany dia tokony hisy ny mangarahara , miantefa any amin’ny Bianco ny mason’ny vahoaka malagasy ahalalana ny marina momba ny vola nandefasana mpisolovava, ny “ Pac na Pôle anticorruption” koa manana adidy hanadihady izany.

Vao mainka manasaro-javatra ny fanapahankevitra noraisin’ny fitondrana nangataka “extradition”, sy nampiditra amponja ireo pirina kely tafiditra amin’izao raharaha izao, satria ny azo antoka araka ny vaovao efa miely erantany dia tsy maintsy ho tonga aty Madagasikara ireo olon’ny fitsarana any Afrika Atsimo, sy ny ”Interpol”, ary ny sampampitsikovana Amerikana “ CIA” na “Central Intelligence Agency”, dia ho raisimpotsiny ireo trondro Fibata, izay efa zatra mihinana ireo trondro madinika.

Mandrapiandry izay hiseho any Afrika Atsimo, sy ny fahatongavan’ireo mpanao fanadihadiana avy any ivelany, dia milaza fa manohy ny fanadihadiana koa ny avy ao amin’ny “Pac “, nambaran’ilay tompon’andraikitra tao, fa mahatratra 18 hono ny olona voarohirohy , misy ireo 7 mbola karohina, tsy mbola navoaka kosa ny anaran’ireo rehetra ireo.

Tsy maintsy hivoaka ny marina momba izao raharaha izao ary ireo avy any ivelany no tena andradraina , nandrora mitsilany ny mpitondra ka tsy maintsy hijinja izay nafafiny, ny “Miara-manonja” etsy andaniny izay tsara fanombohana , satria mifanojo tamin’ity raharaha volamena ity, dia vao mainka mitombo avo folo na roapolo heny ny mpihaino azy, ny vokatr’izany dia hiara-hanonja daholo ny vahoaka malagasy manerana an’i Madagasikara, ka ho rendrika tsy ho ela ny sambo, satria hipoitra tsikelikely ireo raharaha rehetra tsy mety.