Velirano : be loatra ny kitay nentina nively azy ka mangotraka izy izao

Andry Tsiavalona

Tena tanteraka ny fireharehan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fotoana nilazany fa aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao. Iaraha-mahatadidy io fanehoan-kevitra io satria tao anatin’ny ady tamin’ilay fahavalo tsy hita maso, covid-19, ny teto amin’ny Nosy. Azo nolazaina raha ny tarehy marika nivoaka fa vitsy noho izay tranga tany ivelany no nisy teto. Raha ampitahaina amin’ny isan’ny mponina kosa anefa dia tsy am-pihambahambana no ilazana fa mifanahatsahana ny tahan’ny tratran’ny aretina.

Nihazakazaka nandefa fiaramanidina tokoa ny taty Afrika nividy na nomena ilay tambavy CVO organics. Tsy nisy niverina nanjifa ity fanefitra na fitsaboana ity intsony taty aoriana. Nanome lamosina avokoa na ireo nomena maimaimpoana, na izay nividy satria tsy nahitam-bokatra tany aminy. Ny mpitondra na ny tomponandraikitra amin’ny resaka fahasalamana teto an-toerana anefa dia nilaza fa sitrana daholo izay rehetra nisotro ity fanafody majika ity. Nolazain’ny filohan’ny Repoblika mihitsy fa fito tapitrisa no lany kanefa dia tsy misy mahita izany tavoahangy efa ho ampahatelon’ny mponina eto izany hatramin’izao.

Satria mangatsiaka any ivelany, Eoropa, Amerika dia miverina indray ity aretina ity. Mafana tsy mbola nisy toy izany manerana an’i Madagasikara kanefa dia mirongatra ihany koa ny covid-19 amin’izao fotoana izao. Izay angamba vao tena ho hampiasaina amin’izay ny CVO+ satria raha hatramin’izay nisokafan’ny ozinina mpamokatra azy izay dia efa misy tahiry (stock) tsy toko tsy forohana izany amin’izao fotoana izao. Aty Madagasikara indray ny mason’izao tontolo satria hanafatra ilay vaksiny vitan’ny laboratoara any ivelany ihany ve ny fitondrana malagasy sa mbola manana hambompom-pirenena, ka hionona amin’izay vita eto an-toerana? Samborina izay tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana.

Aty Madagasikara indray koa ny mason’izao tontolo izao, na dia tsy mivaky izany aza ny mpitondra, satria miparitaka maneran-tany ilay vaovao momba ny volamena fitopolo kilao mahery tratra tatsy Afrika Atsimo. Ny hambompom-pirenena voizina manoloana ity raharaha ity dia ny hoe “tsy maintsy tafaverina eto Madagasikara ireo volamena ireo”. Miezaka manadio tena daholo ireo tomponandraikitra voasaringotra amin’ity raharaha ity. Samy manana ny filazany anefa ny tsirairay ka hita fa misy mifanipaka ny ambaran’izy ireo satria ao ny niteny fa avy any Mali ireo volamena ireo. Tsy mihambahamba ny hafa manambara fa trafika izao mitranga izao. Ny azo lazaina dia tsy zava-baovao ny trafika eto amin’ity Nosy ity satria efa tamin’ny tetezamita no nanomboka izany, ka tsy volamena ihany fa eo koa ny andramena izay tsy misy fantatra ny tohin’ireo raharaha ireo hatramin’izao. Lazaina fa sidina manokana (vol privé) no nitondra ireo volamena ireo. Nisy koa no nilaza fa vol clandestine, izany hoe sidina antsokosoko. Eo dia efa mifanipaka ny fanambaran’ny ao ambony ao.

Fomba mahazatra izao fitondrana izao ny mody misambotra sy managadra olona entina mandrebireby ny sain’ny olompirenena, satria tiana harovana ny tena atidoha sy tompon’ireo volamena ireo. Tsy eken’ny saina ny hamerenana sy hitsarana eto Madagasikara ireo olona telo voatazona any Afrika Atsimo, satria tsy mahatoky ny fitsarana eto intsony na dia ny teratany malagasy aza. Voasarotsarona ihany izay trafika nataon’ny mpitondra teto izay, fa ity indray mitoraka ity dia fahafaham-baraka (scandal) tsy roa aman-tany no mahazo ny tompom-pahefana amin’izao fotoana izao.

Efa aty Madagasikara koa ny mason’izao tontolo izao raha vao nitranga ny “kere” any Atsimon’ny Nosy. Efa mihazakazaka manampy ny mponina any ny firenena avy any ivelany, ka anisan’izany ny Amerikana amin’ny alàlan’ny USaid. Tsy mahatoky ny fitondrana mijoro intsony ny mpiray antoka, ka aleon’izy ireo midina any an-toerana mihitsy mizara ny fanampiana. Na eo aza anefa izany dia fantatra izao fa dia efa aman-jatony maromaro ny olona efa niala tany an-toerana, ka mikasa ny hiakatra aty an-drenivohitra satria tsy misy hisarangotana intsony izy ireo. Matahotra anefa ny fitondrana fa hanampy isa ireo efa tsy manan-kohanina eto koa ireo, ka mety hanafaingana ny fipoahana ara-tsosialy.

Efa mangotraka tokoa ny rano novelesin’ny mpitondra hatramin’izay, ka misaraka ny H2O mandrafitra azy, ka raha vao misy tselatr’afo dia hipoaka ny iray ary hirehitra ny ilany ary hivaivay tokoa.