Noho ny kere – Maro ireo mandositra miakatra aty an-drenivohitra

Niaina

Noho ny kere na ny hanohanana amin’ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara, vokatry ny tsy filatsahan’ny orana, maro amin’izao fotoana izao ireo mponina avy any miakatra aty an-drenivohitra.

Omaly, maro izy ireo no tonga tao amin’ny toby fiantsonan’ny fiarakodia ao Fianarantsoa, faritra Matsiatra Ambony, hiakatra aty an-drenivohitra, hitady fahatsaram-piainana, satria araka ny voalazany, tsy zaka intsony ny kere mihàtra any amin’ny toerana nisy an’izy ireo.

Tsy misy, na tsy ampy ny fanampiana tonga any an-toerana avy amin’ny fitondrana, na ireo fikambanana mpanao asaa soa, sy asa sosialy tsy miankina. Na te hamokatra aza, tsy afaka satria tsy misy ny rano, vaha olana hitan’izy ireo dia ny hiakatra tanàn-dehibe hitady ny mahasoa aty.