Fanondranana volamena 73,7 kg – Tsy afa-miala ny fitondrana hoy ny depiote Me Hanitra

Ny Valosoa

Nandritra ny fandaharana Miara-Manonja omaly, nanambara ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, fa tsy afa-miala ny fitondrana tamin’ny fanondranana ilay volamena milanja 73,7kg tratra tatsy Afrika Atsimo ary saika haondrana nankany Dubaï, any amin’ny Emirat Arabo Mitambatra.

Amin’izao fikatonan’ny habakabaka izao hoy izy, ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena ihany no afaka manome alalana fiaramanidina hivoaka na hiditra ny firenena. Tsy ny mpanamory ilay fiaramanidina mihitsy, na ny mpiasan’ny STA hoy izy, no tompon’antoka voalohany tamin’ny fanondranana ireo volamena, fa misy olobe ao ambadika ao. Ireo pirina kely irakiraka aloha no atao ” bouc émissaire”, na mpisolo vaika ny akalana dia gadraina : 7 any Tsiafahy, ilay vehivavy 1 any Antanimora. Tsy ireo anefa no tena tompon’andraikitra voalohany. Tsy ampy be dia be ireo hoy ny depioten’Antananarivo voalohany, mbola misy “gros poissons” ao amin’ny Présidence sy ny manodidina ny Filoha, ao amin’ny Governemanta… Misy tsy ilana Fitsara Avo, na HCJ ny fanenjehana ny sasany amin’izy ireo.

Matahotra mafy ny hivoahan’ny tsiambaratelo sy ny anaran’ireo mpitondra sy ny manodidina azy ireo ny Filoha sy ny Mpitondra, ka mikoropaka sy nandefa ny Ministry ny raharaham-bahiny maika any Afrika Atsimo, omaly mbola nandefa olona ambony hafa ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy mpisolovava ny fitondrana. Manao izay fomba rehetra hampodiana sy tsy hitsarana ireo olona 3, voarohirohy amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny volamena 73,7kg, any amin’ny tribonaly Afrikana Tatsimo anio 12 janoary, sy ny hamerenana io volamena io eto Madagasikara ny fitondrana amin’izao fotoana.

Dia voizina koa ny lainga, fa tsy avy eto fa avy any Mali ny volamena hoy ity olom-boafidy ity, nefa ny jeneraly ao amin’ny governemanta efa nilaza, fa efa in-5 no nisy fanondranana antsokosoko toy izao, fa ity farany ity vao tratra. Noho izany, tompon’andraikitra tanteraka ianareo mpitondra hoy Me Hanitra fa aza manao cinema sy mihevitra fa azo fitahina foana ny malagasy.

(Sary: Ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, nandritra ny fandaharana Miara-Manonja.)